Alarobia 20 jolay 2022 — Herinandro fahenina ambin'ny folo mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 1-9

Ny teny dia tahaka ny voa afafy mandrakariva, tsy mamarana fa manomboka ny fiainana. Ny voa mikasoka amin’ny tany ka mitsimoka dia mitombo ary mamokatra. Nivoaka ny trano ilay mpamafy, voalaza koa fa nivoaka teny amoron’ny ranomasina teny amin’ny toerana nitangoronan’ny olona, io no midika fa tonga hiara-monina amintsika olombelona Andriamanitra.

Niainga ny mpamafy mba hamafy, lazain’ny Evanjely fa tsy misafidy tany hamafazana voa ity mpamafy ity, ho antsika dia mety ho hadalana izany, hamboly ve tsy ny tany mamokatra no hamafazana, kanefa eto dia ny tanim-boly rehetra no hamafazany, entanin’ny faniriana mba hioty be dia be ihany koa amin’ny taom-pijinjana. Tsy misy tany afaka hilaza arak’izany fa tsy nandray voa, ary ny tany tsirairay tsy mamokatra araka ny hatsaran’ilay mpamafy fa araka ny zava-misy ao aminy sy nataony hampitsimoka ny voa. Amin’ny fiainantsika andavanadro, maro ny manome tsiny an’Andriamanitra mihitsy aza rehefa tsy mahomby.

Izay mafy fo toy ny vato, tsy manaiky hiova dia tsy afaka hampamokatra. Izay maniditsidina tsy mandalina ary tsy vonona ny handatsaka ao am-pony lalina ny teny dia tsy afaka haharitra amin’ny daniky ny andro. Ireo voly nitsiry koa raha sanatria miara-mitsiry amin’ny fiahiana ny fiainan’izao tontolo izao dia tsy afaka hitondra voa. Misy koa anefa ireo latsaka amin’ny tany lonaka ka mitsiry sy mamokatra.

Mety ho tonga ao an-tsaintsika hoe fa firy ny voa ? Tsy i Jesoa irery ihany ve ny voa nafafin’Andriamanitra mba hahatanteraka izay nandidiany mialoha ny hiverenany any aminy. "Ny teniko dia toy ny ranon’orana latsaka an-tany ka tsy miverina amiko raha tsy efa mahavonto ka maha lonaka ny tany", hoy Andriamanitra, eo koa ny hoe "ny voa nafafy tsy maintsy maty mba hamokarany zato heny". I Jesoa tokoa no ilay voa nafafy.

Ataoko fa ireo karazan-tanimboly ireo (lalana be vato, be tsilo, tany lonaka) dia ao am-pontsika tsirairay avy ao. Anjarantsika ny mijery ny tany hamokaran’ny teny ka tsy hahakivy antsika amin’izay tsy mamokatra fa hifaly amin’izay vokatra misy.

Ho tany lonaka hamokaran’ny teny anie ny Fiangonantsika. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...