Alarobia 13 jolay 2022 — Herinandro fahadimy ambin'ny folo mandavantaona — Misaotra Anao Aho, ry Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosortan'i Masindahy Matio 11, 25-27

Ry kristianina havana, ity Evanjely ity ary dia mampahafantatra antsika momba ny fivavahana. Matetika isika dia tsy mahay mivavaka. Ny Apôstôly aza nangataka tamin’i Jesoa mba ampianariny hivavaka. Midika fa tsy mandeha ho azy izany mivavaka izany. Ity Evanjely ity no ahitantsika ny vavaka nataon’i Jesoa. Mampahalala antsika ny iantefan’ny vavaka atao. Mampianatra ny votoatin’ny vavaka atao sy ny toetra mifanaraka amin’izany.

Maro karazana ny endriky ny vavaka, mety ho fangatahana, fifonana, fiderana, fisaorana. Ny asehon’ny Evanjely kosa dia vavaka fisaorana ary vavaka miantefa amin’ny Ray. Ity vavaka ity no mampianatra antsika fa misy ny Ray, ilay Ray tompon’ny lanitra sy ny tany. Mampiditra antsika i Jesoa amin’ny fisian’ny Trinite Masina, izany hoe mampiseho antsika ny fifaneraseran’Andriamanitra tokana olona telo.

Hitantsika fa ny vavaka dia fifandraisan’ny olona roa miresaka. I Jesoa mitodika any amin’ny Ray, manambara ny zavatra tsapany eo amin’ny fiaraha-monina. Nirahin’ny Ray izy fa tsy mora ny lalany. Tsapan’i Jesoa fa misy sokajin’olona sy tanana tsy mandray azy, tahaka ireo farisianina, mpanora-dalana, tahaka ny tanan’i Kafaranaoma, Korozaina, Betsaida. Misy kosa ireo sokajin’olona tsotra tahaka ireo madinika, marary, mpanota, tsapan’i Jesoa fa nandray azy. Tsapan’i Jesoa fa ireo nandray azy dia ireo mila azy sy nanirahana azy. Ny vavaka izany, dia tsy zavatra hafa ivelan’ny fiainana fa fanambarana amin’ny Ray ny zava-misy iainana ary fahatsapana ny fisiany eo amin’ny fiainana.

Ireto tsopo ary dia ireo tahaka ny zaza madinika, tsy mahavita na inona na inona fa miankin-doha tanteraka amin’ny ray aman-dreniny. I Jesoa milaza fa ny tahaka ireo zaza ireo no manana ny fanjakan’Andriamanitra. Izy ireo mantsy no manana ireto toetra ireto : fanetren-tena sy fahatsoarana. Manetry tena, izany hoe mipetraka mandrakariva ho madinika ka mitoky amin’ny lehibe, tsy mihevi-tena na oviana na oviana ho mahavita tena samirery, tsy manambony tena na mihevi-tena ho mahay ny zavatra rehetra na manana ny fahendrena lavorary. Manana ny fahatsorana, midika fa tsy manafina na inona na inona fa manambara amim-pahatsorana tsy am-pisalasalana ny zavatra rehetra.

Ilaina àry ny fananana fahatsoram-po sy fanetren-tena rehefa mivavaka. Izay mahay misaotra sy mankasitraka dia olona manana ireo toetra tsara ireo ary azo antoka fa hohenoim-bavaka izy satria tahaka an’i Jesoa izay modelintsika.

Ireo hendry sy be saina kosa dia ireo mihevitra ny tenany efa tonga amin’ny fahatratrarana ny fahalavorariana ka tsy mila ny fanampiana avy amin’ny hafa na hevitra avy amin’ny hafa. Tsy afaka miasa ao amin’ny olona efa feno ny tenany Andriamanitra satria tsy manana toerana hampandrosoana na handraisana an’Andriamanitra intsony eo amin’ny fiainana izy. Heverina fa mety tsy hitodika any amin’Andriamanitra izy satria efa mihevi-tena ho tsy mila fanampiana intsony. Samia mandinika amin’ny toerany isika tsirairay na ilay tso-po na ilay hendry sy be saina.

Ilaina ny manam-pahaizana ahafahana mivelatra sy mifehy ny siansa sy teknolojia. Fa raha natao tsy hanajana ny hafa sy hanimbana ny tontolo iainana ary hanadinoana an’Andriamanitra izany dia zava-poana. Fa raha natao kosa ho fikarohana sy fanasoavana ny besinimaro sy ho fanampiana amin’ny fivelaran’ny hafa dia mahasoa.

Ry Ray ô, omeo fahasoavanao hatrany izahay ahafahanay maka tahaka an’i Jesoa manetry tena sy tso-po, ahafahanay mifandray amin’ireo ailikiliky ny fiaraha-monina, indrindra ahafahanay mankasitraka anao amin’ny fiahianao anay isan’andro. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 nôvambra 2024

  • Samy nanana ny nanamarihana ny Andro maneratan-tany ho an'ny Tanora ny isan-diôsezy, ny isan-distrika ary ny isam-paroasy, omaly Alahadin'i Kristy Mpanjaka...
  • Manao ezaka ho fanatsararana ny kalitaon'ny fanabeazana omena ireo zanaky ny Fiangonana manovo fanabeazana eny amin'ny Sekoly Katôlika ny eto Mdagasikara sy ny any amin'ny Diôsezy. Isan'izany ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Mitoetra ao amin'ny teny marina sy mandaitra ny fahefana maha Mpanjaka an'i Jesoa, hoy ny Papa François tamin'ny fampianarana nataony talohan'ny vavaka Angelus, ny alahady 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...