Talata 12 jolay 2022 — Herinandro fahadimy ambin'ny folo mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 20-24

Ry kristianina havana, ity tenin’Andriamanitra vao nohenointsika ity dia mampahatsiahy antsika koa izay voalaza ao amin’i Masindahy Lioka 12, 48 : "Fa izay tsy nahalala kosa, na nanao zavatra mendri-pamaizana aza, dia hokapohina kelikely ihany. Izay nomena be no hitakiana be, ary izay nanankinana be no hadinina be koa". Miteny mafy ireto tanàna telo ireto i Jesoa : Korozaina, Betsaida, Kafarnaoma. Ireto tanana ireto dia nahita tombony manokana amin’ny tanana hafa. Nanaovan’i Jesoa fampianarana maro, indrindra nanaovany fahagagana maro samihafa : fanasitranana (Mt 8, 1-16. 9, 1) ; fampitoniana ny tafio-drivotra (Mt 8, 23-27) ; fandroahana demony (Mt 8, 28-34), fanasitranana malemy, fampahiratana ny jamba (Mt 9, 27) ; fampitenenana ny moana (Mt 9, 32). Tombom-pitiavana ny fanaovana zavatra maro amin’ny toerana iray fa indrindra tanteraka ny faminaniana nambaran’i Izaia (Iz 26, 19. 29, 18. 33, 5). I Jesoa ilay nandrasana (Mt 11, 3) ary Izy ilay ho tonga hanafaka ny vahoakany (Lk 4, 17-21). Niseho tamin’ny asan’i Jesoa sy nambarany mazava tsara fa tanteraka aminy ny Soratra Masina (Lk 4, 21).

Ny fahagagana nataon’i Jesoa mantsy dia famantarana ny fisian’Andriamanitra sy ny asan’ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny tenany. Famantarana ny fanjakana sy ny famonjen’Andriamanitra izay mitaky fankatoavana amin’ny alalan’ny fibebahana, izany hoe mamela ny lalan-diso ary miverina ao an-tranon’ny Ray. Nomena be ireto tanana ireto : nahita an’i Jesoa, nahita indrindra ny fahagagana nataony. Ny tsy famaliana amin’ny alalan’ny fibebahana dia midika tsy fankatoavana an’Andriamanitra sy ny fanjakany. Nanao fahagagana i Jesoa mba hampitombo ny finoana misimisy kokoa.

Ny fitia mifamaly hoy isika no mahatsara fihavanana. Tsy mampiova ny maha Izy an’Andriamanitra ny tsy fankatoavantsika azy fa amin’ny fiainana andavanandro no hita sahady fa ny marary mahalala ny mpitsabo, ny mpianatra mahafantatra ny mpampianatra, ny voahary mitodika amin’ny mpahary ka moa ve ny olombelona tsy hitodika amin’ilay tia azy ? Izany indrindra no mahatonga an’i Jesoa hiteny mafy ary nanao fampitahana tamin’ny tanana hafa mba hibebaka, mba hitodika any amin’ilay nahary isika olombelona.

Fahotana ny tsy firaharahiana, izany hoe tian’Andriamanitra isika mba ho olona mora miraika mitodika amin’ny hafa, indrindra amin’Andriamanitra ka hibebaka. Tsy hitsahatra ny hitory koa ny mpitory ary tsy ho kivy fa matoa i Jesoa no miteny mafy dia ny mba hampiova fo antsika ary tsapany fa misy ny fahamafisam-po izay toetra misakana tsy hahatakatra ny fitiavan’Andriamanitra.

Ry Ray ô, ataovy mahatakatra ny fitiavanao hatrany izahay ka ho vonona hibebaka sy hanatanteraka ny teninao ary hamaly fitia anao sy amin’ny manodidina. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...