Sabotsy 08 febroary 2020 — Herinandro fahefatra mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 30-34 — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka ahy.

0 : 00

Tsy ny asa atao ihany akory ny manara-dia na mamaly ny antson’i Kristy fa ny filazana ny natao ary ny fibanjinana sy ny fandinihan-tena ihany koa amin’izay fomba nentina nanao ny asa sy ny vokatra aterak’io fiantsoana io amin’izay irahina. Io no hevitry ny fitokanana niantsoan’i Kristy ieto Apôstôly rahefa niverina avy namita ny iraka. Nantsoiny hiala sasatra mba hanovo hery ao Aminy. Ho an’ny Apôstôly sy izay nadray antso manokana izany. Fa ho an’i Kristy, amin’ny maha Endriky ny indrafon’Andriamanitra Azy, dia ny hamonjy ny olombelona no vain-doha-draharahany.

Ry Jesoa Mpamonjy anay ô, nangoraka ireto vahoaka nanaradia anao ianao, tsy namela azy ho toy ny ondry tsy misy mpiandry ka nahafoy ny fotoana ialanao sasatra mba hampianarana azy ireo, hanomezana azy ny teninao mahavelona.

Fitiavana lehibe tokoa no nasehonao ary fampianarana tsara indrindra ho an’ireo manana sy anankinana adidy sy andraikitra, anisan’ireny ireo Ray aman-dreny sy ireo miadidy ny fiainam-bahoaka, ireo mipetraka ho lehibe sy ho tompon’andraikitra eo amin’ny sehatra maro samihafa, ireo nomena fahefana hitantana sy hitondra ny vahoaka isam’ambaratongany… koa aza avela hanao ankilabao izay iadidiany izy ireo fa mba ho eo anilany mandrakariva.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...