Alarobia 05 febroary 2020 — Herinandro fahefatra mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 1-6 — Sokafy, ry Tompo ny fonay, mba hitandremanay ny tenin-Janakao.

0 : 00

Fomba maro no netin’i Jesoa naneho ny maha Izy Azy amin’ny maha Irak’Andriamanitra Azy, na tamin’ny fampianarana izany na tamin’ny alalan’ireo asa mahagaga nataony kanefa dia ny mpiray tanana Aminy indray eto no tsy nino Azy. Tsy hoe velom-panotaniana ny Aminy fotsiny izy ireo fa tafintohina mihitsy aza, ka nahatonga Azy tsy nanao fahagagana.

Tamin’ireo toerana nolalovan’i Kristy, dia tsy misaraka ny atao hoe: “finoana sy fahagagana”. Antony, ireo fahagagana nataony no famantarana ny asa nanirahana Azy; izany hoe: “ny hamerina indray ny olombelona ao amin’Andriamanitra amin’ny fanafahana azy ireo amin’izay mangeja azy sy mampisaraka azy amin’Andriamanitra”. Ary ny fahagagana no azo lazina fa valy omen’i Kristy an’ireo mino Azy: “ny finoanao no nahavonjy anao” Mk 5, 34.

Fomba fitenintsika ny hoe: “manan-jara izay itobahan’ny rony ary izay mahay manana manan-droa fa izay tsy mahay manana sy ny tandrevaka dia mitovy ihany”. “Ny mana-tombo misy foana”. Angataho Andriamanitra hanokatra ny fontsika handraisantsika ny hafany sy ny teniny amin’ny alalan’ireo manodidina antsika mba handraisantsika hatrany ny fitiavany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...