Talata 14 jona 2022 — Herinandro faha iraika ambin'ny folo mandavantaona — Izay mitandrina ny didin’i Kristy, no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 43-48

Isika kristianina na koa isika antsoina hoe mpino sy mpivavaka, tsy sanatria akory hoe hanao araka izay tiana na araka izay mahafaly, fa manana tarigetra sy fomba arahina ary toetra tahafina, satria te hanatsara ny fiainana isika, te ho lavorary, te ho sambatra mandrakizay eo anilan'Andriamanitra. Noho izany dia rano manoha riana isika eo amin'izao tontolo izao. Voaantso sy voairaka mantsy isika :

  • Haneho ny teotran'Ilay Andriamanitra inoantsika : tia sy manasoa ny olon-drehetra tsy misy ankanavaka ;
  • Hankatoa sy hanatanteraka ny didin'i Kristy : ho tia sy hanasoa ary hivavaka ho an'ny fahavalo sy ireo nanao ratsy antsika.

Lalam-phalavorariana ho antsika izany, no sady isehoan'ny tena maha Zanaky ny Ray antsika. Tsy hoe zavatra sarotra tanterahana tsy akory, fa ilana finoana lalim-paka sy fanetren-tena ary fitokisana tanteraka an'Andriamanitra.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...