Alatsinainy 13 jona 2022 — Herinandro faha iraika ambin'ny folo mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny Fanambarana avy amin’ny Vavanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 38-42
Hoy angamba isika hoe : hilefitra manana ny rariny ve sa hanaiky sy hamela ny ratsy hanjaka ? Raha io tenin'i Kristy io no raisina. Tsy dia izany loatra fa tokony hiavaka ny maha isika antsika ary ny fomba entintsika miaina.
Eto àry, dia fampianarana sy fomba fiaina vaovao handresena ny ratsy sady maneho ny maha mpianatr'i Kristy antsika marina ny tsy famaliana ny ratsy nataon'ny hafa tamin'ny tena sy ny manome mihoatra noho izay angatahina, hahaizana miaina sy mitondra tena. Banjino ange i Kristy. Diniho ny nataony :
- Fahazavana tonga tao amin'ny haizina, fa tsy nandray azy ny haizina (Jo. 1) ;
- Nanasoa hatraiza hatraiza, kanefa notevatevaina, nokapohina, nororana, nofantsihana, kanefa tsy namaly ny ratsy natao azy, fa nangata-pamelana ho an'izay nanao izany aza no nataony.
Tian'i Kristy iainantsika ireo hatsaram-panahy nasehony antsika ireo : "tsy mamaly ratsy ny ratsy sy manome mihoatra noho izay angatahina mba hiainantsika ny didiny". Didy mandrindra ny fifandraisantsika samy isika no sady hanafoana tsikelikely ny ratsy eto amin'izao tontolo izao.
Efa nisafidy azy isika, mpianany ary manara-dia azy, koa sahia manoha riana, hanohitra ny ratsy sy ny herisetra izay toa mihamahazo vahana sy mihanaka ankehitriny. Ary aza atao anjorom-bala ny maha kristianina antsika fa iaino.