Talata 7 jona 2022 — Herinandro fahafolo mandavantaona — Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 13-16

Mitohy eto ny fampianaran’i Jesoa tany an-tendrombohitra. Ampianariny antsika ny mahakasika ny sira na ny fanasina sy ny jiro na ny fahazavana. Voalohany aloha dia ataony hoe : "Ianareo no fanasin’ny tany" sy "Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao". Tsy lanitra fa tany ka tsy any amin’ny habakabaka tsy takatra any fa mijoro ho fanasina sy ho fahazavana eto amin’ity tany sy izao tontolo misy antsika izao. Misy itovizany ireo amin’ny maha samy kely azy nefa mahahenika ny manodidina, izany hoe tsy natao ho an’ny tenany fa natao hanasoavana ny hafa ka mihalevona amin’izany. Ny sira tsy ho sira fotsiny amin’izao raha tsy mifandray amin’ny hafa, dia toy izany koa ny jiro tsy natao hanazava ny tenany ihany fa indrindra hanazava ny manodidina azy. Mova tsy izany va no andrasana amintsika, indrindra isika vita Batemy sy niroso nandray ireo sakramenta sahaza ny zanak’Andriamanitra rehetra ?

Handeha ho raisintsika tsirairay mba hazava misimisy kokoa.

Fanasina na sira : natao hanome tsiro, natao hampalonaka ny tany fa tsy hanome ngidiny sanatria na hampatsatso na hahakarankaina azy. Toy izany koa isika, aoka àry ho tena fanasina araka izany noho ny batemy noraisintsika fa tsy ho mantsina velively !

Fahazavana na jiro na fanilo : natao hanazava sy hanilo ny manodidina, natao hanafana ihany koa ary mety handoro aza. Fa mazava izy arakaraka ny maha avo azy sy tsy mampihena ny hazavany akory arakaraka ny hamindrany azy amin’ny hafa fa vao mainka aza miha mitombo. Raha tsy aparitany fa amin’ny tenany fotsiny ho kely ny hazavana sady tsy hanazava akory ka tsy ilaina. Apetraka amin’ny toerany izy, atao ambony mba hanazava kokoa, araka ny lazain’i Jesoa eto : "Tsy misy olona mampirehitra jiro, ka mametraka azy ao ambanin’ny vata famarana, fa eo ambonin’ny fanaovan-jiro no apetrany mba hanazava izay rehetra ao an-trano". Fa raha ao ambany farafara na latabatra dia mety handoro no tsy hanazava akory sady tsy any no ilàna azy, raha tsy hoe itsilovana zavatra angamba, fa amin’izay ihany, ka averina amin’ny teorany rehefa vita izany. Ka aoka ho toy izany isika : mahaiza mipetraka amin’ny fanaovan-jiro, amin’ny toerantsika isika fa aza milingilingy any an-kafa. Aza miady fitoeran-jiro fa samy manana ny azy. Aoka tsy isika indray no hitady hazavana fa isika no aoka hazava ka ho afaka hanazava ny manodidina. Ny tena no aoka hazava taloha satria ny maizina tsy afaka hanome hazavana. Amin’izay afaka mitondra hazavana ho an’ny rehetra fa tsy ny ampahany ihany, toa Azy Andriamanitra manome ny Masoandro ho an’ny marina sy ny tsy marina. Koa aza ny haizina no aparitaka fa ny hazavana, fa zanaky ny mazava isika sy irahina ho fahazavana. Hoy ihany i Jesoa hoe : "Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra" ka tsy afaka mipiripirina ny mazava fa fantatra ihany amin’ny hazavana entiny. Amin’izany anefa tsarovy fa ny hazo avo halan-drivotra ka tsy izany akory no hampitakemotra fa vao mainka aza aoka hamirapiratra hazavana satria matahotra hazavana ny haizina, lefy izy raha vao misy hazavana.

Manaraka izany "ianareo" hoy i Jesoa fa tsy hoe : "ianao". Midika izany fa tsy mandeha irery isika fa miara-dia mandrakariva, araka izao iainantsika ny sinaody izao fa "ny hazo tokana tsy ala", "ny tondro tokana tsy mahazo hao" "Very izay miala amin’ny maro" Mazava ny namaranan’i Jesoa azy teo : "Aoka hazava eo imason’ny olona tahaka izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa soa ataonareo, ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra." Mazava araka izany ny tanjona ka aoka tsy ny voninahitra ho an’ny tena no maika katsahina fa ny fanomezam-boninahitra Azy Ray iombonana mba ho tena fahazavana marina isika. Alao hery e !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 nôvambra 2024

  • Samy nanana ny nanamarihana ny Andro maneratan-tany ho an'ny Tanora ny isan-diôsezy, ny isan-distrika ary ny isam-paroasy, omaly Alahadin'i Kristy Mpanjaka...
  • Manao ezaka ho fanatsararana ny kalitaon'ny fanabeazana omena ireo zanaky ny Fiangonana manovo fanabeazana eny amin'ny Sekoly Katôlika ny eto Mdagasikara sy ny any amin'ny Diôsezy. Isan'izany ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Mitoetra ao amin'ny teny marina sy mandaitra ny fahefana maha Mpanjaka an'i Jesoa, hoy ny Papa François tamin'ny fampianarana nataony talohan'ny vavaka Angelus, ny alahady 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...