Alatsinainy 6 jona 2022 — Masina Maria, Renin'ny Eglizy — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana; ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 1-12

Mahatsiaro an’i Masina Maria renin’ny Eglizy isika amin’ity andro, ampitson’ny Pantekoty ity. Tsy azo sarahina i Masina Maria sy ny Eglizy amin’ny maha reniny azy ; fa ho dinihintsika kosa ny Evanjely naroso voalahatra amin’izao herinandro fahafolo mandavantaona izao. Manomboka eto àry ny anarahantsika ny fampianaran’i Jesoa tany an-tendrombohitra, araka ny nanoratan’i Masindahy Matio azy, ka arosony antsika voalohany amin’izany ny mahakasika ny fahasambarana. Nahita ny vahoaka i Jesoa ka lasa nananika ny tendrombohitra : tsy sanatria nandositra vahoaka Izy fa nosarihany izy ireo hananika ny tendrombohitra ka nampianariny avy eo. Tsiahivina fa toeram-pihaonana amin’Andriamanitra mandrakariva ny tendrombohitra ao amin’ny Baiboly. Koa mila miakatra tendrombohitra raha te hihaona amin’Izy Tompo. Tsy moramora izany miakatra izany fa mety handreraka kanefa kosa rehefa tiana ny mihaona amin’ny Tompo tsy ho vato misakana izany fa vao mainka aza mahafaly mihitsy, tsy andry ery ny hihaonana aminy, toy ny ataon’ny mpisakaiza. Eto moa izao, fampianarana mihitsy no ataony any amin’ny fihaonana aminy. Manoro antsika ny fahasambarana Izy. Azo lazaina hoe tendrombohitra ny Eglizy ankehitriny ka any no toerana tena tsara hihanonana aminy sy hihainoana ny fampianarany. Marina fa amin’ny toerana rehetra Izy, fa toerana tsara kosa sy mendrika kokoa ny any. Koa aza kamo ny mandeha any satria "ny havan-tiana tsy mahalavi-tany" Misy anefa akaiky ny trano fiangonana kanefa tsy tonga any raha tsy misy antony na misy ilàna azy. Aza atao tsidi-pahitra re ny trano fivavahana e ! Fa aoka ho maimay fo handeha any isika.

Mikasika indray ny fahasambarana tian’i Jesoa zaraina amintsika eto àry dia tsy fahasambarana mandalo fa mitoetra, tsy miserana fa maharitra. Iza tokoa moa no tsy mikatsaka fahasambarana ? Fa fahasambarana manao ahoana ? Eto izao toa mifanohitra amin’ny mahazatra antsika ny lazainy : ny mahantra am-panahy, ny malemy fanahy, ny mitomany, ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana, ny mamindra fo, ny madio fo, ny tia fihavanana, ny miaritra ny fanenjehana noho ny rariny, raha tevatevaina sy enjehina ary ampangaina lainga amin’ny ratsy. Toa zavatra manahirana avokoa. Izao anefa, diniho ny tohiny dia ho azontsika ny tiany ho lazaina. Misy efa santarina ety an-tany io fahasambarana io fa mety tsy ho eto an-tany fotsiny koa fa hatrany an-danitra, izay misy ny fahasambarana lavorary. Dia ilay hasambarana atoron’Andriamanitra fa tsy azon’olombelona matetika. Tsy ilay hasambarana manodoka ka mety mora simba na manjavona vetivety fa ilay maharitra ka tsy misy maharombaka azy rehefa tena iainana marina. Marina fa tsy moramora ny mahazo sy miaina azy nefa azo atao tsara mihitsy. Betsaka tamin’ireo olomasina no nanao an’izany ka efa tafita soa. Modely ho antsika izany. Koa iza amin’ireo fahasambarana ireo no efa ezahana iainana ? Atomboy fa mbola tsy tara, ataovy anatin’ny drafi-piainantsika izany tsy ho tanjona tratrarina fotsiny fa tena iainana mihitsy ka hihalavorary tsikelikely isika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 nôvambra 2024

  • Samy nanana ny nanamarihana ny Andro maneratan-tany ho an'ny Tanora ny isan-diôsezy, ny isan-distrika ary ny isam-paroasy, omaly Alahadin'i Kristy Mpanjaka...
  • Manao ezaka ho fanatsararana ny kalitaon'ny fanabeazana omena ireo zanaky ny Fiangonana manovo fanabeazana eny amin'ny Sekoly Katôlika ny eto Mdagasikara sy ny any amin'ny Diôsezy. Isan'izany ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Mitoetra ao amin'ny teny marina sy mandaitra ny fahefana maha Mpanjaka an'i Jesoa, hoy ny Papa François tamin'ny fampianarana nataony talohan'ny vavaka Angelus, ny alahady 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...