Alahady 5 jona 2022 — Pantekôty — Avia, ry Fanahy Masina, fenoy Anao ny fonay mpino, ary ampireheto ao am-ponay ny afon’ny fitiavanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 15-16. 23b-26

Fotokevitra aroso ho dinihina amin’izao Alahady Pantekoty izao ny hoe : "Mpankahery sy mpanazava ary mpampihavana ny Fanahy Masina." Pantekoty, hankalazana manetriketrika ny nidinan’ny Fanahy Masina tamin’i Masina Maria sy ireo Apostoly, hamaranana ny 50 andro fankalazana ny Paka. Mirakitra ny antsipirian’izany ny Boky mitantara ny Asan’ny Apostoly. Tsy nihidy na nihiboka tao amin’ny efitrano nitoerany intsony ireo Apostoly, noho ny tahotra fa nivoaka ; niala tao, namoha varavarana, nisokatra ka nandeha nitory hatraiza hatraiza an’i Jesoa maty sy nitsangan-ko velona. Lasa iraka ny Eglizy nanomboka hatreo ka tohizany hatrany izany. Asan’ny Fanahy Masina aminy izany, sady mbola mitohy mandraka ankehitriny.

Fa iza tokoa moa ny Fanahy Masina ? Olona fahatelo amin’ny Trinite Masina, hoy isika, fa mamaritra Azy koa ny fiekem-pinoana fanaontsika. Andriamanitra Izy, ka tsy sanatria hoe Andriamanitra fahatelo fa olona fahatelo amin’Izy Andriamanitra tokana. Ahafahantsika mamantatra tsara ny Fanahy Masina koa ny Evanjely naroso teo.

Iraky ny Ray amin’ny anaran’ny Zanaka ny Fanahy Masina ka maniraka ihany koa ny Eglizy. Maneho ny maha Iraka ny Eglizy izany. Misionera ny Eglizy. Ka tsy Eglizy trano no irahina fa olona, dia isika izany. Ka iraka midongy isika sa mahatonga hafatra ? Satrin’ny mpaniraka ny ho tonga lavitra fa satrin’ny irahina ny ho eo akaiky fotsiny ihany. Tandremo ny mitelin-kafatra. Irin’Andriamanitra ny hahatonga ny olona rehetra ho any aminy ; mandray anjara amin’izany isika, amin’ny maha iraka antsika. Ka aoka ho efaintsika tsara ny iraka ataontsika.

Ankoatra izany, Mpanafaka alahelo koa Izy. Malahelo rehefa saraka olon-tiana, tratran’izany ireto Apostoly rehefa lasa niakatra any an-danitra i Jesoa. Nampanantena anefa Izy fa homeny Mpanafaka alahelo izy ireo, dia ny Fanahy Masina izany. Ka sady afaka alahelo izy ireo no afa-tahotra ka sahy nandeha, nitory. Tamin’ny Batemy noraisintsika, efa nandray ny Fanahy maha zanaka isika. Nohamafisina izany ka nandray ny fanomezana fiton’ny Fanahy Masina tamin’ny fankaherezana, ka mbola alahelo ihany ve ? Ny olona vonton’ny Fanahy Masina ka mampiasa Azy tsy hanana alahelo, fa na misy aza tsy haharitra akory fa mandalo ihany izany. Ny Fanahy Masina mantsy hitoetra ao amintsika mandrakizay, araka ny lazain’i Jesoa. Ka manjary kristianina mampalahelo isika raha kristianina vonton’alahelo lava.

Roa ny asan’ny Fanahy Masina, araka ny namaritan’i Jesoa azy teo: Hampianatra ny zavatra rehetra, sy Hampahatsiaro ny zavatra rehetra nolazainy. Mpampianatra mahay Izy ka sady mampahatsiaro no mampandalina. Modely ho an’ny mpampianatra rehetra. Tsy ho azy ihany fa ho antsika rehetra ihany koa. Tsy zava-baovao akory no atorony fa fampahatsiahivana izay efa voalazan’i Jesoa ihany. Ka meteza hiasany, mazotoa mihaino ny bitsiny, havaozy ny asany ao amintsika amin’ny firotsahana mandray andraikitra ao amin’ny Eglizy. Sehatra maro sy midadasika ka azontsika isafidianana tsara fa misy sy sahaza antsika rehetra ny ao. Koa alao hery àry !

Handeha havaozintsika izao ny finoantsika ny Fanahy Masina.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...