Alatsinainy 03 febroary 2020 — Herinandro fahefatra mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 5, 1-20 — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon'ny Tompo.

{mp3]20200203-evanjely{/mp3}

Tarihan’i Masindahy Marka isika handinika ny lalana nizoran’i Kristy sy ny fahagagana nataony, izay maneho ny famonjena entiny dia "ny fanafahana an’ireo miaina ao anatin’ny fanagenjana maro isan-karazany, endriky ny fahafatesana sy fisarahana, ho an’ireo lavitra an’Andriamanitra".

Ny fanasongadinana ity lehilahy azon’ny demony ity, indrindra ireo manjo azy sy ny tsy fahafahan’ny mpiray monina mamolaka azy, dia maneho ny haratsian’ny toe-piainana manjo antsika olombelona voagejan’ny fahotana sy ny fisaraham-bazana aterany amin’ireo miara-monina amintsika. Fa rahefa manompo fahotana isika dia tsy hanam-pahefana amin’ny tenantsika intsony fa hanaiky azy tanterka ary handeha amin’izay itondrany antsika.

Iza àry no afaka hamonjy antsika amin’izany? Iza no manana fahefana handresy ny ratsy ao amintsika? Tsy misy afa-tsy i Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra Avo indrindra. Eo anatrehan’i Kristy dia tsy misy hery hatohitra Azy. Ary Izy irery ihany no afaka hanala ny fatorana sy ny geja vokatry ny fahotana misy amintsika olombelona, mba haha olon’afaka antsika.

Koa meteza hanatona Azy miaraka amin’izay manjo antsika, meteza hafahany fa ny hamonjy antsika amin’ny haratsiana rehetra, hampiombona antsika amin’Andriamanitra sy hanompoantsika Azy no nahatongavany.

[Miara-dàlana] Zoma 27 desambra 2024

  • Nanolotra fiarahabana sy firarian-tsoa ho an'ny Noely, ireo Ray aman-dReny eo anivon'ny Fiangonana...
  • Nanao antso avo ho an'ny fandriam-pahalemana any amin'ireo firenena ravan'ny ady ny Papa François, ny alarobia 25 desambra 2024, tao anatin'ny hafatra ho an'ny Noely...
  • Ankoatra ny ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Pierre, dia nanokatra ny Varavarana Masina iray ao amin'ny fonja ao Rebibbia ao Roma ny Ray masina, ny 26 desambra 2024...
Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...