Alahady 02 febroary 2020 — Ny nanolorana ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 22-40 — Fahazavana hanilo ny Jentily Izy, sady voninahitr'i Israely olonao.
Notantarain’i Md Lioka tamintsika teo ny fiakaran’i Maria sy Jozefa ary Jesoa zazakely ho any an-Tempoly mba hanatanteraka izay voalazan’ny lalan’ny Tompo, izany no fomba fanao tamin’izany iainana sy anehoan’ireo vahoaka ny finoana ary ankatoavany ny lalana. Lalana izay mirakitra ny sitra-pon‘Andriamanitra, anehoana fitiavana Azy (cf. Dt 6, 3). Toetrantsika olombelona mino an’Andriamanitra io nataon’i Maria sy Josefa io, indrindra isika miandry ny fanavotana avy aminy.
Fomban’Andriamanitra ny mialoha lalana mandrakariva amin’ny faniriantsika Azy, tsy isika intsony no mitady Azy fa Izy no tonga eo anivontsika amin’ny alalan’ny Zanany, dia ilay Zanany natolotra tao an-tempoly, mba ho fantatr’izao tontolo izao, araka ny nambaran’i Simeona hoe: “ny masoko no nahita ny famonjena avy Aminao”. Fa io Zanany io no hamonjy an’izao tontolo izao, hitarika ny olombelona rehetra hiala amin’ny maizina ho amin’ny fahazavana.
Iainantsika izao fety lehibe, nanolorana ny Tompo izao dia ny hatsiarovana hatrany ny nanolorana antsika tamin’ny Batemy, voatokana ho an’Andriamanitra isika mba hitia sy hanompo Azy ambonin’ny zavatra rehetra hihavaozan’ny fiainantsika hatrany, hanekentsika ho tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra sy hampamokatra ny asany eo amintsika. Fa izany no maneho ny maha “FAHAZAVANA” marina antsika.
Enga anie hanahaka hatrany an’i Kristy ny fiainantsika manontolo, ho ritra eo am-panompoana an’Andriamanitra sy ny hafa.