Alatsinainy 30 mey 2022 — Herinandro fahafito fankalazana ny Paka — Mandehana, mampianara ny firenena rehetra. Indro Aho eo aminareo ambara-pahatapitr’izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 16, 29-33
Andro vitsivitsy mialoha ny hisamborana sy hanamelohana Azy ho faty no nisehoan’ity resadresaka nifanaovan’i Jesoa sy ny mpianany, izay voalazan’ny Evanjely anio ity. Resy lahatra ireo mpianany fa Mesia tokoa Izy saingy tsy mahasakana azy ireo ny handositra ka hamela an’ity Mpampianany ho irery hiatrika ny fitsarana izany fahafantarana Azy ho Mesia izany. Matetika mpahazo antsika kristianina ihany koa io hakanosana io : fantatsika tokoa fa nitsangan-ko velona i Kristy saingy tsy sahy akory ny hijoro ho vavolombelony isika rehefa misedra ny mafy eo amin’ny fiainana. Soa ihany fa efa fantatr’i Jesoa Kristy izany, soa ihany fa fantany fa mbola malemy ny finoantsika.
Na izany aza anefa, manome antsika oha-piainana Izy ho vahaolana manoloana izany, koa voalohany amin’izany dia ny hoe : "miombona mandrakariva hatrany amin’Andriamanitra Ray, amin’izay tsy hanirery ianao" ; faharoa manaraka izany, aza misaraka velively amin’i Jesoa Kristy fa tsy maintsy mandresy mandrakariva izay manaraka Azy.
Antsoina noho izany àry isika mba hirotsaka amin’ny fitiavam-bavaka, amin’ny fanaovana asa soa ary indrindra amin’ny fanatonana ireo sakramenta, fa izany no ahafahantsika hanamafy ny fiombonantsika amin’Andriamanitra Ray sy ny fifikirantsika amin’i Jesoa Kristy.