Alahady 29 mey 2022 — Alahady fahafito fankalazana ny Paka — Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo: handeha Aho ary ho avy eo aminareo indray, ka ho faly ny fonareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 17, 20-26

Asaina isika tsirairay avy handinika ity tapany farany amin’ny vavaka nataon’i Jesoa Mpisorana. Toy ny fanaon’ny Mpisorombe isaky ilay andro fankalazana manetriketrika ny Làlan’i Moizy, izany hoe ilay fotoana lehibe ankalazana ny indrafon’Andriamanitra, no italahoan’i Jesoa amin’Andriamanitra ho an’ny mpianany sy ho an’izao tontolo izao ary ho Azy ihany koa.

Mivavaka amin’ny Ray Izy mba ho iray ireto mpianany. Fanomezam-pitiavana avy amin’i Ray mantsy ireo mpianany tamin’izany fotoana izany sy amin’izao fotoana iainantsika izao. Noho izany iantefan’ity vavaka ity ihany koa isika mpianany ankehitriny.

Toy ny hoe efa naminany sahady ny fisarantsarahana ankehitriny, vokatry ny fampielezana ny hevi-diso ity vavaka nataon’i Jesoa ity.

Irin’i Jesoa Kristy hahay haka tahaka sy hanovo loharano avy amin’ny fiombonan’Izy sy ny Rainy izany fiombonantsika samy mpianany io, fa izany no hampaharitra azy hatrany hatrany. Iriny ho tsapantsika izany, iriny hiainantsika lalindalina ihany koa ankehitriny.

Tena ilaina amin’ny asa anirahana ny Fiangonana io fiombonana io satria manamafy bebe kokoa ny asam-pitoriana ny Vaovao Mahafaly : "mba ho fantatr’izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy" (Jo 17, 23 ) hoy ihany i Jesoa Kristy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...