Talata 24 mey 2022 — Herinandro fahenina fankalazana ny Paka — Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky, Lahimatoa amin’ny maty, tia anay Ianao sy nanasa ny helokay tamin’ny Ranao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 16, 5b-11

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Fa ankehitriny handeha Aho, ka tsy misy aminareo manontany hoe: Ho aiza Ianao? Fa noho Izaho nilaza izany taminareo dia feno alahelo ny fonareo. Milaza ny marina aminareo anefa Aho fa mahasoa anareo ny handehanako; satria raha tsy mandeha Aho, dia tsy ho avy aminareo ny Mpanafaka alahelo; fa raha mandeha Aho, dia haniraka Azy ho atý aminareo. Ary rahefa tonga Izy, dia handresy lahatra an’izao tontolo izao ny amin’ny fahotana, sy ny amin’ny fahamarinana, ary ny amin’ny fitsarana: ny amin’ny fahotana, satria tsy mino Ahy izy ireo; ny amin’ny fahamarinana, satria mankany amin’ny Ray Aho, ka tsy ho hitanareo intsony; ary ny amin’ny fitsarana, satria voatsara sahady ny filohan’izao tontolo izao.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...