Alakamisy 12 mey 2022 — Herinandro fahefatra fankalazana ny Paka — Nahita Ahy ianao ka nino; fa sambatra izay tsy nahita ka mino — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 13, 16-20

Ry havana ; rehefa avy nanazava i Jesoa fa tenan’ny Ray izy fa iraky ny Ray, dia toy izany koa ny mpianany, tenan’i Kristy maniraka azy ireo. Izany rahateo no fampianaran’ny Konsily Vatikana faharoa ka averin’ny Katesizy : Sakramentan’ny Ray i Jesoa Kristy ary Sakramentan’i Kristy ny Eglizy. Avy nanasa ny tongotry ny mpianany moa i Jesoa no miteny eto ; toa te hilaza izy hoe tahaka ny nikarakarako sy nanompoako anareo no hikarakarao sy hanompoy koa ny olombelona fa izany no ahafantarana fa mpianatro ianareo.

Eo am-panatontosana izany iraka izany dia tsy maintsy hisy sedra mafy ; iray tamin’ny mpianany aza no namadika an’i Jesoa. Ho sendraina toy izany koa isika mpianany, ho lavin’ny olona, hohenjahina. Firifiry tokoa moa no mandao ny finoana ankehitriny ; endrika fandavana an’i Jesoa daholo ireny ; mampalahelo ; mety manafintohina ; kanefa izay haharitra hatramin’ny farany no ho voavonjy.

Tsy izay endrika fandavana no hodinihantsika fa ny firaiketam-pontsika aminy. Ndeha hanamafy ny finoana sy hanavao isan’andro ny fanoloran-tenantsika ho Azy. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...