Alahady 8 mey 2022 — Alahady fahefatra fankalazana ny Paka — Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho no fantany koa — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 10, 27-30

Ry kristianina havana ; isaky ny alahady fahefatry ny Paka ny Eglizy dia mankalaza an’i Jesoa Kristy Mpiandry ondry tsara. Ampianarin’ny Litorjia antsika amin’izany fa manangona izay miahaka Izy ary mitahiry izao miangona. Hatrany amin’ny Testamenta Taloha dia efa oharin’ny Tenin’Andriamanitra amin’ny andian’ondry ny vahoaka Israely, ilay vahoaka voafidy. Entina ilazana fa manan-tompo io vahoaka io fa tsy mpirenireny na dia, na haolo, vahoaka tiana ka mahasaro-piaro ny Tompo. Tsy Israely ihany anefa fa ny olombelona rehetra no irin’ Andriamanitra ho andian’ondry tokana, anaty vala tokana ary manana an’i Jesoa Mpiandry tokana.

Manambara ny Tenany i Jesoa hoe "Izaho no Mpiandry ondry hotsaroantsika". Aoka hotsaroantsika fa fito ny tenin’i Jesoa milaza hoe izaho no [fahazavan’izao tontolo izao, fananganana sy fiainana, mofon’aina, lalana sy fahamarinana ary fiainana, …] Izy no manambara ny tenany vao mahalala azy isika.

Matoanteny efatra enti-miaina :
• MIHAINO : fototry ny fifandraisana ny fihainoana, fifampihainoana. Fahaiza-miaina sy fahalalam-pomba, porofom-pitiavana mihitsy aza ny fihainoana. Fitiavana an’Andriamanitra ny fihainoana Azy, fitiavantsika ny Mpiandry antsika no ihainoantsika Azy.
• MAHALALA : amin’ny fampianaran’i Masindahy Joany dia mifandrohy hevitra ny MINO, TIA, MAHALALA. Raha te hahalala an’i Krsisty dia mino Azy, tia Azy.
• MANARAKA : manara-dia an’i Kristy no tanjona. Izay no dikan’ilay sary famantarana an’i Kristy mpiandry ondry. Izy Mpiandry no eo aloha ; ny ondry manaraka Azy satria mino, mahalala ary tia Azy.
• MIOMBONA, MIRAY : ny tanjon’ny Ray dia andian’ondry tokana anaty vala tokana manana an’i Kristy Mpiandry tokana.

Fotoana ivavahana ho an’ny fiantsoan’Andriamanitra koa ny alahadin’ny Mpiandry ondry tsara. Ka italaho amin’ny Ray isan’andro mba hanirahana mpiandry mahatoky hikarakara ny andian’ondriny. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...