Alahady 17 aprily 2022 — Alahadin'ny Paka. Nitsanganan'ny Tompo ho velona — Efa voavono i Kristy izay Paka ho antsika ao amin’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 20, 1-9

Paka ny andro, fitsanganan'i Kristy ho velona, nandresy ny fahafatesana, manambara fiainam-baovao izay asehon'ny teny hoe : "Andro voalohan'ny herinandro". Ny mpanoratra ny Evanjely efatra dia samy manaiky io tranga io, ary te-hanambara hoe : tontolo vaovao no manomboka, fahariana vaovao no miseho. Ny fisian'i Marie Mdaleine nandeha vao maraina voalohany tany am-pasana ihany koa dia manambara io fiainam-baovao io. Tsy kisendrasendra na fanahiniana ny fisian'ity vehivavy ity tamin'ny fitsanganan'i Kristy ho velona, fa azo lazaina ho famantarana manan-danja tokoa, satria ny vehivavy eo amin'ny fiainanan'ny olombelona dia loharano nisehoana, amin'ny maha reny azy, manambara io fiainam-baovao io, fahariana vaovao. Koa na dia mbola tsy nino ny zava-niseho aza i Marie Madeleine, dia efa famantarana sahady fa fiainam-baovao, fandresena no ao amin'i Kristy nitsangana ho velona, ny Paka ihany koa moa dia midika hoe "fandalovana". I Marie aza no voalaza fa voalohany nanapritaka ny zava-niseho. Ny olona voalohany nanambarany izany dia i Simona Piera sy i Joany, ilay mpianatra malalan'i Jesoa, izay samy tsy mbola nino izay voalazan'i Jesoa taminy.

Miainga amin'izay voalazan'ny Vaovao Mahafaly izay àry, no hanambarana sy hanamafisan'ny Fiangonana amintsika fa fiainam-baovao ho antsika ny fitsanganan'i Kristy ho velona, satria io no loharano sy fototry ny finoantsika, indrindra ho antsika krisitianina : I Jesoa tonga nofo, nijaly sy maty teo amin'ny Hazofijaliana ary nandresy ny fahafatesana, nitsangan-ko velona. Famantarana ihany i Marie Madeleine sy i Piera ary i Joany, fa i Kristy nitsangan-ko velona no tena votoatiny. Koa mila manavao sy manamfy io finoantsika io isika amin'izao Paka izao, tahaka ny efa nanambarantsika azy tamin'ny fomba manetriketrika nandritra ny litorjia natrehintsika alina.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...