Talata 12 aprily 2022 — Talata Masina  — Arahaba, ry Mpanjakanay, fatra-panaiky ny Ray, nentina nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana Ianao, toy ny zanak’ondry bonaika hovonoina — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 13, 21-33. 36-38

Ry kristianina havana ! Nifampizara ny manta sy ny masaka tamin’ireo Apôstôly mpianany tokoa i Jesao ka raha eto amin’ity sakafo iarahany mihinana amin’ny mpianany ity dia tsy fanasana toy ny misy mahazatra indraindray no hita fa tena fiarahan’ny mpirahalahy misakafo tokoa. Ary dia tsy ampihambahambana tokoa i Jesoa milaza amin’izy ireo ny alahelony izay nampangorohoro ny fony ; satria araka ny efa voalaza tamintsika teto tamin’ny alahady lasa teo dia isan’ireo fototry ny fijaliany ny mpianany sasany. Endrey izato fahalemen’ny mpianatr’i Jesoa : voasongadina miavaka tsara i Jodasy sy I Piera eto. Miverimberina moa ny momba an’i Jodasy amin’izao herinandro masina izao mba hampahatsiaro antsika ireo toetra na fomba maro izay tokony ezahatsika mba hialana satria tsy maneho fitiavana velively fa miteraka fijaliana izay mety hiafara amin’ny fahafatesan’ny hafa mihitsy aza.

Tsy miafina amin’Andriamanitra izay ataontsika, fantany ny ao am-pontsika ary fantany hatramin’izay irintsika hatao. Ka aoka isika tsy hihevitra ho toy ny lohasaha mangina amin’izay hataontsika rehetra na ratsy na tsara fa hitan’Andriamanitra sy fantany avokoa izany na dia tsy fantatry ny olona manodidina antsika aza. Eto mantsy efa milaza tsotra i Jesoa hoe hamadika ahy ny iray aminareo nefa mbola hafa ihany ny fandraisan’ny mpianatra sasany azy raha niteny tamin’i Jodasy izy hoe : "tanteraho faingana izay hataonao". I Jodasy moa dia nambarany mazava teo fa hamadika azy ary i Piera kosa izay nanizingiziny fa tsy handao azy na hatramin’ny fahafatesana aza, nefa dia nambarany fa handà Azy intelo ihany koa. Fitiavan-tena no nahatonga an’i Jodasy hamadika an’i Jesoa, fa ny an’i Piera kosa indray tahotra ny hiaraka ho faty Aminy. Ny fitiavam-bola sy ny fifikirana na firaiketana amin’ny zavatry ny tany no mahatonga antsika olombelona handà an’Andriamanitra na tsy hanaraka ny lalany. Io fitiavam-bola io no mahatonga ny sasany hanao izao asa ratsy isan-karazany izao, tsy hilaza ny marina, hanambaka ny madinika, sy ny hafa rehetra eny fa na dia ny aina aza ka mamono olona tsotra izao. Toa tsy ao an-tsaina akory fa fandalovana ary fanomanana ny fiainana mandrakizay izay tena izy ny eto an-tany. Noho izany, aoka isika handini-tena mandrakariva eo anatrehan’ireo fahalemena sy fahazaran-dratsy mpahazo antsika ary tsy hatahotra ny ho faty miaraka amin’i Jesoa raha izany no hahasambatra ny fanahintsika.

Andriamanitra ô, amin’izao vanim-potoana iandrandranay ny Paka izao, ampianaro hikatsaka ny fiainana mandrakizay izahay. Ka na dia mampiasa ny vola sy ny zavatry ny tany aza izahay dia mba hampiasa izany amim-pahendrena sy amim-pahamarinana. Ampio koa izahay tsy hisalasala hanolotra ny ainay ho anao. Amen !

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...