Alakamisy 7 aprily 2022 — Herinandro fahadimy amin'ny Karemy — Izaho no fananganana sy fiainana, hoy ny Tompo; izay mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 8, 51-59
Fampanantenana ny tsy hahita fahafatesana no omen’i Jesoa ho an’ireo izay mitandrina ny Teniny eto. Tsy misy heviny intsony araka izany ny fahafatesana satria efa tena nahita ny tena Fiainana izay hanana azy mandrakizay. Marihina fa tsy nahafaly an’ireo Jody izany tenin’i Jesoa izany satria tsy azon’izy ireo ny tiany ambara. Izy tsy niteny mihitsy hoe hiaina mandrakizay eto amin’ity tany ity fa ny hiaina mandrakizay ao aorian’ny fahafatesana eto an-tany.
Fandresen-dahatra ihany koa teto no nataon’i Jesoa ho an’ireo Jody fa izy dia ilay Mesia Zanak’Andriamanitra nisy talohan’ny zavatra rehetra. Nisy talohan’i Abrahama izay heverin’izy ireo fa rainy i Jesoa satria izy ilay “Teny” nisy sy nitoetra teo anilan’ny Ray talohan’ny zavatra rehetra. Iza tokoa moa no olombelona ho sahy hiteny fa efa nisy talohan’ny nahaterahany ? Fanambarana ny maha Andriamanitra azy àry eto no nataon’i Jesoa izay hitoriny amin’ilay Andriamanitra Rainy izay nahary an’izao tontolo izao. Tsy mba nitady voninahitra ho azy anefa izy fa dia ny voninahitry ny Rainy no katsahiny. Mifanohitra amin’izany kosa anefa ny an’ireto Jody izay mpifanandrina Aminy, izay fikatsahana ny voninahitry ny tenan’izy ireo ihany. Rehefa tsy mandray sy tsy mitandrina ny tenin’i Jesoa àry isika dia jamba tanteraka ny fo amam-panahintsika ka manjary tsy mahazo izay tiany ambara tahaka ireto Jody ireto.
Tompo ô, ny Teninao anie hanova ny fonay mba hahazohanay ilay fiainana mandrakizay izay nampanantenainao ho anay. Amen.