Alahady 3 aprily 2022 — Alahady fahadimy amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 8, 1-11

Miditra amin’ny alahady fahadimy amin’ny karemy ny Eglizy anio. Ny Evanjely eto dia mitantara ny fitondran’ny mpanoran-dalàna sy ny farisianina teo anatrehan’i Jesoa ilay vehivavy tratra nijangajanga.

Tranga roa mantsy no niseho teto : ny voalohany dia ny hitoraham-bato an’ilay vehivavy azo nijangajanga araka ny lalan’i Moizy izay hita amin’ny bokin’ny Deteronoma 22. Ny faharoa dia ny hamandrihana an’i Jesoa na mety na tsia ny hanaovana an’izany. Raha nanaiky mantsy izy dia nenjehina fa nampamono an’ilay vehivavy, fa raha nandà kosa dia nolazaina fa nanohitra ny lalàn’i Moizy. Jesoa eto dia nisafidy ny tsy hiteny mihitsy ary nampadini-tena an’ireo izay rehetra teo. Fakam-panahy mety hahazo antsika ny tonga dia mitsara ny namana avy hatrany rehefa misy tsy mety ataony. Rehefa tena mandini-tena isika dia mahatsapa fa tsy laharam-pahamehana ny mijery sy ny mandinika ny fahotan’ny hafa. Nasehon’i Jesoa tokoa ary eto ny tena fampiharana ny lalàna satria ity farany dia tsy mikendry afa-tsy ny hahasoa ny olona. Tsy natao hahafaty olona ny lalàna fa natao hanampy azy hiala amin’ny ratsy izay nataony. Tsy nanameloka an’ilay vehivavy I Jesoa fa nampahafantatra azy kosa ny zavatra tsy nety nataony sy niteny azy ny tsy hamerina intsony.

I Jesoa eto dia namonjy an’ity vehivavy ity tsy tamin’ny tora-bato izay saika nahazo azy sy ny fahafatesana fotsiny fa nampitraka azy sy nanoro lalana vaovao "Mandehana ary aza manota intsony".

Tompo ô, tsy misy olo-marina tokoa raha tena mitsara Ianao. Ary ampio hatrany izahay handini-tena mba hialanay amin’ireo haratsiana mpahazo anay sy tsy hanamelohanay ny tsy mety ataon’ny hafa. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...