Zoma 1 aprily 2022 — Herinandro  fahefatra amin'ny Karemy — Izaho no fananganana ny fiainana, hoy ny Tompo; izay mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 7, 1-2. 10. 25-30

Tsy mba araka izay nantenaina, araka ny fomba fiteny, no nasetrin’ireto vahoaka Jody an’i Kristy, asa soa sy famonjena no nataony kanefa famonoana sy fanafongorana no miandry azy. Tsy nataony ho sakana tsy hiainana ny maha izy azy, mankao an-tempoly, sy hanatanteraka ny iraka sy ny asa nanirahana azy anefa izany, mba hampianatra antsika, satria :

Endri-piainana mety mbola iainan’ireo iraka, ireo voafidy ankehitriny io nanjo an’i Kristy io, ilana fitokisana sy firaiketam-po tanteraka amin’Andriamanitra miantso sy maniraka, hakana tahaka an’i Kristy, ilay niteny hoe : "ny mpianatra tsy ambony noho ny Mpampianatra, raha nenjehina aho dia enjehina koa ianareo, izay manamavo anareo manamavo Ahy." Mba hitozo sy haharitra amin’ny iraka iantsoana azy izy ireo.

Fa mety mbola misy koa amintsika manao Jody ny tenanany, tsy mety mino an’i Kristy, manao mamy fo velona tsy handray an’Andriamanitra. Eo koa ireo voasakan’ny zavatra eto ivelany ka malain-kino, toy ireo mpiray tanana amin’i Kristy. Manao ny zavatra ivelany ho fototry ny fanatonana an’Andriamanitra. Ilana fanavaozana sy fibebahana avokoa izany rehetra izany, mba hiainantsika sy hianarantsika aniI Kristy, naharitra sy tsy nivadika tamin’ny fitiavan’ny Ray, ary mba hampahitsy dia antsika amin’ny finoana marina, antoky ny fiainana mandrakizay.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...