Alatsinainy 27 janoary 2020 — Herinandro fahatelo mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 22-30 — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho amin'ny lala-mahitsy aho.

0 : 00

Fandavana tanteraka ny asan'i Jesoa no nataon'ny Mpanora-dalàna nidina avy any Jerosalema ary finiavana nanely ny fialonana ka nilazany fa tsy mahefa na inona na inona i Jesoa raha tsy amin'ny herin'ny demony. Nambaran'i Jesoa mazava tsara àry fa tsy misy asan'i Satana, mpanohitra ny sitrapon'Andriamanitra, handrava ny asan'i Satana ihany fa ny asan'Andriamanitra no lazainy ho asan'ny demony dia izay no fahotana lehibe.

Fanoharana amin'ny ady ateraky ny korontana no hanazavan'i Jesoa an'izany. Raha tsy mahafaona ny ratsy ny asan'Andriamanitra, dia tsy asan'Andriamanitra izy izany. Fa ny asan'Andriamanitra matoa mahafaona ny ratsy dia fahasoavana ho an'ny olombelona fa ny olombelona no minia mikipy tsy mandray ny sitrapon'Andriamanitra izay antso miantefa ao am-pon'ny tsirairay ary izany ho tsy ahazoantsika ny fibebahana ka ahazoantsika manatona an'Andriamanitra.

Ny ratsy, tsy avy amin'Andriamanitra fa ny tsara no avy amin'Andriamanitra. Tsy ny ratsy akory no mandresy ny ratsy, fa ny tsara no maharesy ny ratsy. Fa raha ny asan'Andriamanitra no lazain'ny Mpanora-dalàna fa ratsy dia izany no asan-demony, izany no manohitra ny Fanahy Masina. Andriamanitra hoy i Jesoa, mamindra fo mandrakariva rehefa mibebaka ny olona, fa izay manao mamifo velona tsy mihaino ary tsy mandray ny asan'ny Fanahy Masina no tsy mba hahazo izany famindram-po izany satria mitsipaka marindrano ny asan'ny Fanahy Masina miantso azy hibebaka. Izay manentsi-tadiny, tsy mihaino, manao mamifo velona ary minia mikipy amin'ny asan'ny Fanahy Masina ihany no manam-pahotana mandrakizay.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 17 febroary 2025

• Nanentana ny kristianina aty Afrika ny Fiombonan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Afrika sy i Madagasikara, mba hiray hina amin'ny vavaka sy ny fifadian-kanina araka ny fomba amam-panaon'ny tsirairay sy ny fahafahany, ny 3 hatramin'ny 5 marsa 2025... • Notontosaina ny sabotsy 15 sy ny alahady 16 febroary 2025 ny fihaonan'ny Filankevitra Fitondrana ny Vahoakan'Andriamanitra eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... • Mampiely hatsarana sy mampiombona ny vahoaka ny zava-kanto, hoy ny Papa François, tamin'ny fampianarana nataony ho fankalazana ny Jobilin'ny mpanakanto omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...