Alahady 26 janoary 2020 — Alahady fahatelo mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 4, 12-23 — Nitory ny Evanjelin'ny Fanjakan'Andriamanitra i Jesoa ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin'ny olona.

0 : 00

Mizara roa ity ampahana Evanjely ity, dia ny filazan'i Masindahy Matio: voalohany fa tanteraka izay nambaran'ny Mpaminany araka ny voalazan'i Izaia 8, 23. Faharoa dia ny niantsoan'i Jesoa ny mpianany. Rehefa avy nifady hanina efapolo andro sy efapolo alina tany an'efitra i Jesoa ary nandre fa natao an-tranomaizina i Joany, noraisiny ho fambara amin'ny antony nanirahana azy ho ety amintsika olombelona izany. Nirahina Izy hanatanteraka izay voasoratra ka nolazain'ny Mpaminany hatrizay. Ny asan'ny fahamarinan'Andriamanitra no nanentana azy hitory ny Fanjakan'Andriamanitra. Niantso ny hafa firenena hibebaka, hihanoka ao anatin'ny fahasoavan'Andriamanitra fa izany no fahazavana ho an'ny olona rehetra izay monina ao anatin'ny aloky ny fahafatesana sy ny tany efitra feno hay.

Izany asa fitoriana ny Fanjankan'ny Lanitra izany dia niarahan'i Jesoa manatanteraka amin'ny olombelona ka niantso ireo mpianany Izy: "Avia manaraka ahy". Nandao ny fivelomany, ny andavanandrom-piainany, ny ankohonany ireo mpianatr'i Jesoa. Miara-miasa amin'ny olombelona mandrakariva Andriamanitra, izany no fomba fiasany hanambarany ny sitrapony. Ny anjarantsika olombelona dia ny fahafoizana sy ny fanetren-tena ho làlan'ny sitrapon'Andriamanitra, hitoriana ny fanjakan'Andriamanitra, izay iantsoany antsika. Mitaona antsika Izy mba ho mpianany, hiantso ny olona rehetra ho ao amin'ny Fanjakan'ny Lanitra.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...