Talata 15 marsa 2022 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Na ankehitriny aza anefa, hoy ny Tompo, miverena amiko amin’ny fonareo rehetra, fa mamindra fo sy miantra aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 23, 1-12
Manasa antsika handinika ny fomba fampiasana ny fahefana ny Evanjely vao novakiana tamintsika teo. Mampahatsiahy antsika ny fanaon’ireo olona natao hitondra vahoaka izany. Tamin’ny andron’i Kristy, eny fa na amin’izao andro iainantsika izao ihany koa aza, dia famehezana ny vahoaka, izay miafara amin’ny famoretana mihitsy ho hita ataon’ireo vondron’olona sasany mpitondra ny fiaraha-monina na mpitondra fivavahana koa indraindray. Maniry fatratra ny hotsaohana sy homem-boninahitra izy ireo, toy ny hoe te haka ny toeran’Andriamanitra sy ny toeran’i Kristy, ilay hany Mpampianatra tapitrohatra. Hadinon’izy ireo fa ny Fiangonana araka ny sitrapon’i Kristy dia ny Fiangonan’ny mpirahalahy, manana an’Andriamanitra Ray iombonana ary manana Mpitarika sy Mpampianatra tokana dia i Jesoa Kristy.
Marihina fa ilaina ny mpitondra sy ny fahefana ahafahana mampandeha ny raharaham-bahoaka. Fa mila ampiasaina ao anatin’ny toe-tsaim-panompoana anefa izany fahefana ananana izany ary ao anatin’ny fanetren-tena sy am-pitiavana an’ireo rahalahy sy anabavy no anatanterahana an’izany asam-panompoana izany. Ankoatra izany, mila mijoro ho modely ireo mpitondra rehefa mampiasa ny fahefana, fa tsy ampy fotsiny ny teniny, fa izany no mandresy lahatra bebe kokoa ny olona hanatanteraka ny adidy tandrify ny tsirairay.