Alatsinainy 14 marsa 2022 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Ny tsara no tadiavo fa aza ny ratsy mba ho velona ianareo ka homba anareo ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 36-38

Fotoana natokana ihany koa handinihana ilay fotoana hihaonantsika amin’Andriamanitra ny vanim-potoanan’ny Karemy. Isan’ny lohahevitra hodinihana amin’izany ny fomba fitiavantsika ireo olona akaiky antsika indrindra. Manampy antsika handinika izany lohahevitra izany indrindra ny Evanjely norenesintsika teo, izay mampanontany tena antsika, raha tena fitiava-namana tokoa ny fitiavana asehontsika. Tsara homarihina anefa fa ny fitiavan’Andriamanitra antsika no fatra ahafantarana fa tena fitiavana tokoa ny fitiavantsika. Noho izany, loharano sy modelin’ny ny fitiavantsika ny hafa izany fitiavan’Andriamanitra izany.

Marim-pototra tokoa ny fitiavantsika ny namantsika raha toa ka mihoatra ilay fomba amam-panaon’ny atero ka alao, fomba mampiavaka ny fifandraisantsika amin’ny hafa. Manana ny anjara toerana eo amin’ny fiainantsika noho izany ireo heverintsika ho fahavalo. Fahaiza-mandray ny hafa ny fitiavana eto ; fanomezana azy fahafahana ny hiova sy ny hiarina indray tamin’ireo hadisoana vitany, izay mety nandratra ny fontsika. Efa nasehon’Andriamanitra antsika, araka ny voalazan’ny Soratra Masina, izany fitiavana izany satria tsy nitsahatra ny nitia ny hafa Izy, tsy nitsahatra ny nanavao hatrany ny fanekem-pihavanany.

Midika hoe tsy malaky mitsara ny hafa, tsy malaky manameloka ny hafa no hevitry ny teny hoe mitia ny hafa tahaka ny fitiavan’Andriamanitra. Mila manome azy tombon’andro hiovany maimaim-poana. Marihina manokana etoana fa mila ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny finoana mahita mihoatra ny fahadisoan’ny hafa izany fitiavana izany koa angataho amin’Andriamanitra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...