Sabotsy 26 febroary 2022 — Herinandro fahafito mandavantaona — Misaotra Anao Aho, ry Raiko Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 10, 13-16

Efa hatramin’ny Testamenta Taloha no entina eo amin’ny mpanora-dalàna ny ankizy mba hotsofina rano ny andro mialoha ny fanolorana sorona fanonerana. Tsy tia ho diso anjara amin’ny fahasoavana manko na dia ny ankizy mbola tsy mahatakatra firy ny momba an’Andriamanitra aza. Toy izany koa no nitondrana ireto ankizy ho eo amin’i Jesoa : mendrika omena fahasoavana izy ireny ; mendrika omena famonjena. Tezitra i Jesoa rehefa noraran’ny mpianany ireo ankizy tsy hanatona azy satria ny ankizy indrindra aza no tena mendrika an’Andriamanitra satria tsy manan-tsiny, marina, matoky, madio fo, tsotra. Izany hatsaram-panahin’ny ankizy izany indrindra no irin’i Jesoa hananan’ny olona rehetra.

Maro ireo kolontsaina sy fomba fijery any amin’ny tany samihafa any mbola manilika ny ankizy fa mihevitra azy ireny ho tsy mbola olona feno. Tamin’ny andron’i Jesoa mihitsy aza, raha tsy feno roa ambin’ny folo taona tsy miditra ao amin’ny sinagoga. Nahitsin’i Jesoa izay fomba izay : "avelao hanatona ahy ny zaza fa aza raranareo", hoy izy. Fihavaozana lehibe izany. Mivadika mihitsy aza ny rasa satria an’ny ankizy sy izay tahaka ny ankizy tsy manan-tsiny, marina, matoky, madio fo, tsotra, ny Fanjakan’Andriamanitra.

Tsy hoe manao sain-jaza no tian’i Jesoa, fa ilay fitokisana tanteraka an’Andriamanitra tahaka ny zaza matoky sy miankina tanteraka amin’ny ray aman-dreniny ary ao no hiafarany. Tahaka izany no andrasana amintsika : matoky tanteraka an’Andriamanitra dia miafara ao amin’Andriamanitra. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...