Alarobia 19 janoary 2022 — Herinandro faharoa mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny Fanambarana avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 1-6

Mitohy hatrany ny fifandirana eo amin’i Jesoa sy ireo Farisianina mpanenjika Azy. Eto dia mahakasika indray ny fanasitranana amin’ny andro Sabata. I Jesoa dia tsy mikatsaka afa-tsy ny famonjena ny olombelona, ary ao anatin’izany ny fanasitranana ara-batana izay hitantsika eto, ny an’ireo Farisianina kosa dia ny fitandremana ny lalàna ara-bakiteny sy ambonin’ny zavatra rehetra mihitsy.

Mampianatra antsika àry eto i Jesoa fa tsy mifidy andro na fotoana ny fanaovana asa soa sy ny famonjena ny aina, eny na dia amin’ny andro Sabata aza. Ary efa nampianariny fa ny didy lehibe indrindra dia ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiavana ny namana. Ny fitiavana araka izany no mitondra antsika ary amin’ny fanatanterahana ny lalàna. Fitiavana izay manokatra ny fontsika fa tsy sanatria akory manakombona azy.

Tsara ny manamarika fa i Jesoa akory tsy mba nandika na nanakiana mihitsy ny lalan’i Moizy, izay hitompoan’ireto Farisianina fatratra. Izy àry isan’ireo nitandrina izany mihitsy : hitantsika tamin’ny Evanjely teo ary ny fakanesana tany amin’ny Sinagoga amin’ny andro Sabata. Fa ny nampalahelo Azy dia ny fomba fanatanterahan’ny lalàna ataon’ireo Farisianina izay tsy mba manome toerana kely akory ny fitiavana ny namana sy ny famindram-po.

Aoka àry ny finoana izay ao anatintsika ao sy ny vavaka izay ataontsika mba hisokatra any amin’ny fitiavana izay natoron’i Kristy. Fa tsy sanatria akory ny lalàna na ny fahazarana no mibaiko ny fontsika hanao izany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...