Talata 4 janoary 2022 — Herinandro manaraka ny Epifania — Nitory ny Evanjelin'ny Fanjakan'Andriamanitra i Jesoa ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin'ny olona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 34-44
Tsy mitsahatra mitohy ny fangorahan’Andriamanitra ny vahoakany mandraka ankehitriny. Eto izao, nahita ireo vahoaka betsaka i Jesoa ka nangoraka azy, satria tahaka ny ondry tsy manana mpiandry izy ireo. Fangorahana mipaka amin’ny atifanahin’ny isam-batan’olona sy ny vahoaka rehetra. Satria tokoa mantsy tena efa olon-doza izay tsy mahay mangoraka. Eto tsy olona fotsiny fa Ilay olona sady Andriamanitra, ka ambony lavitra ny fangorahany antsika.
Nataony voalohany ny fampianarana azy zavatra maro. Aoka tsy handingana isika na hitetateta hanome na hiandry zavatra hafa fa aoka ho vaindohan-draharaha ity fampianarana ity. Misy mantsy milaza fa mbola ilaina ihany ve izany fampianarana izany amin’izao andro diavintsika izao ? Ho an’ny hafa indray, ao ireo milaza fa efa nanaraka izany foana ka amin’ny zanaka fahafiry aza ve mbola mila fampianarana alohan’ny hanomezana azy ny sakramentan’ny zanany ? Rehefa asaina mitarika anefa izy ireny tsy mahita atokona akory ! Sy ny maro hafa tsy ho voatanisa eto. Araka izany, aoka ho vonton’ny fampianarana isika alohan’ny zavatra rehetra, indrindra eo amin’ny finoana, toy ny saha vonton-drano amin’izay ka mamokatra raha tsy izany ho karankaina.
Manaraka izany, arantirantin’ny Evanjely eto ireo karazana fomba fisainana roa ka voalohany amin’izany ny fisainantsika olombelona, asehon’ny mpianatra : "Alefaso ny olona handeha", izany hoe maika mandrava, manaparitaka, mampisaraka. Marihina etoana anefa fa avy amin’ilay ratsy izany ka hita miha-manjaka hatrany ankehitriny ka tsara ialana avy hatrany.
Ny an’i Jesoa kosa, faharoa, toa mifanohitra amin’izany : "Omeonareo hanina izy", izany hoe manangona, mamondrona, mampiray, mampifankatia, mampihavana. Izany no fisainan’Andriamanitra ; ka tsara alain-tahaka. Anjarantsika ny mitady ny fomba tsy hampipatitaka ny olona na hampizarazara azy mba hivondrona ho iray ao amin’Izy Kristy. Tsy mamela antsika ho noana izany Andriamanitra. Amintsika samy isika aza tsy mety ny hoe ny rainy voky tsara, malandilandy tarehy kanefa ny zanany kibontainan’ny hanoanana, mahia kely ; maika moa amin’Andriamanitra ? Tsy sitrany velively isika vahoakany ho kere sy noana. Fa maniraka antsika Izy hitady fomba hialana amin’izany. Tsy hidanaka fotsiny fa hirotsaka hiasa mba tsy hahatonga antsika ho mandry akaiky toy ny menaka. Amin’izany, ataovy izay tratry ny herintsika fa Azy ny ambiny. Omeo Azy izay misy any amintsika any na kely aza hahafahany mampitombo azy. Araka izany, miainga avy amintsika aloha fa Azy ny famenony. Hainy mantsy ny mampitombo izay kely ananantsika rehefa manome Azy izay eo ampelan-tanana aloha fa tsy tokony ho kahihitra ny amin’izany. Rehefa mitady mantsy isika, mahavita mihoatra izay tadiavintsika Izy, manana amby ampy aza. Eto izao afaka nitondra mody mihitsy kanefa dimy arivo lahy no isan’ny nihinana tao.
Farany, tamin’izany ny lehilahy no betsaka voaisa nanaraka an’i Jesoa fa ankehitriny kosa toa mifanohitra amin’izany ka ny vehivavy indray no betsaka manara-dia Azy, mankany am-piangonana sy mafana fo mirotsaka amin’ny sehatra samihafa ao am-piangonana. Tsy hoe tsy misy fa raha ampitahaina amin’ny vehivavy amin’ny ankapobeny. Samy mitody mankany an-danitra anefa na lahy na vavy, tsy misy avakavaka ka aoka isika lehilahy mba ho tonga saina amin’izany. Tsy ny hifandom-bera ihany no hahamaika antsika fa tsara raha amin’ny lafiny rehetra, indrindra ao amin’Izy Tompo. Ho tanterahantsika anie izany. Amen.