Zoma 31 desambra 2021 — Andro fahafito amin'ny havaloan'ny Noely — Ny Teny dia tonga nofo ka nonina tatý amintsika. Izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahasoavana ho tonga zanak’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 1-18

Jesoa, ilay Tenin’Andriamanitra no lazain’i Masindahy Joany evanjelista amintsika anio. Toy izao no azontsika amintinana izany : amin’ny alalan’i Jesoa no itenenan’Andriamanitra ; mampahafantatra antsika fa fitiavana Andriamanitra io Tenin’Andriamanitra tonga hiara-monina amintsika io ; Loharanon’ny aintsika ihany koa Izy. Mitaky ezaka avy amintsika ny fahenoana an’izany anjara asan’i Jesoa Kristy, ilay Tenin’Andriamanitra izany, koa anisan’izany ny fahaizantsika mihaino Azy, izany hoe fahaiza-mandray Azy ho ao anatin’ny fiainantsika mba hisian’ny fiovana marina sy vaovao. Antsoina ihany koa isika hahay handray ny fitiavan’Andriamanitra ao amin’i Jesoa fa izany no ahafahantsika mitia marina tokoa tahaka an’Andriamanitra ireo manodidina antsika. Mampahafantatra antsika ihany koa ny Evanjely anio fa tsy afaka miala velively amin’i Jesoa, Kristy, ilay Tenin’Andriamanitra isika satria Izy no aina sy vonjy ho antsika. Eto am-pamaranana, aza adinoina fa mila mitory an’i Kristy, ilay Tenin’Andriamanitra isika, mino Azy mba hahafantaran’ireo olona tsy mbola mahalala an’Andriamanitra Fitiavana. Koa tsaratsara kokoa raha ampifanarahantsika amin’ny fitondran-tena izany asam-pitoriantsika Azy izany.

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...