Talata 28 desambra 2021 — Ireo zaza tsy manan-tsiny — Andriamanitra ô midera anao izahay; manambara fa Ianao no Tompo; ary mihoby anao ny antokon'ny martiry feno hadiovana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 2, 13-18

Mampahatsiahy antsika ny fanenjehana hihatra amintsika ny Evanjely anio. Noho isika manara-dia an’i Kristy no anton’izany fanenjehana izany fa toy izany mantsy no nanjò an’ireto zaza tsy manan-tsiny izay nasain’i Herôda mpanjaka novonoina noho i Kristy. Manoloana izany, mila matoky sy miaina ny Tenin’Andriamanitra isika, tahaka ny Fianakaviana Masina, raha te hahita fiadanam-po ao anatin’izany fanenjehana izany.

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...