Alatsinainy 27 desambra 2021 — Masindahy Joany, Apôstôly, evanjelista — Andriamanitra ô, midera anao izahay, mankalaza anao izahay; ary mihoby anao ny antokon'ny Apôstôly — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 20, 2-8
Ao anatin’ny havaloana fankalazana ny fetin’ny Noely mihitsy no ankazantsika manokana an’i Masindahy Joany, apôstôly sady mpanoratra Evanjely. Tantaran’ny nahitan’ireo mpianatra ny fasana foana nametrahana an’i Jesoa Kristy no tantarainy amintsika anio. Lesona anankiroa no azontsika tsoahana avy amin’izany. Nanao andram-piainan’ny sinaody i Piera sy ilay mpianatra malalan’i Tompo : samy nihazakazaka izy mirahalahy araka hafaingam-pandehany avy. Na dia mailaka kokoa noho i Piera aza ilay mpianatra malalan’i Tompo, tsy niditra avy hatrany tao am-pasana izy fa niandry an’i Piera mba ho samy hahatratra ny tanjona iombonana. Izany tokoa no irin’ny Fiangonana maneran-tany hatao amin’izao fotoana fankalazana ny sinaody eo amin’ny diosezy manontolo eran’izao tontolo izao.
Lesona faharoa tsara homarihina dia izao : samy hafa ny fihetsika asehon’ireto mpianatr’i Kristy manoloana ny fasana foana nandevenana Azy. Nihazakazaka i Maria Madelena noho fahatairana hilaza fa nikodia ilay varavaram-pasana ; tonga i Piera nizaha sy nanadihady toy ny fanaon’ny mpitandro filamina fa tsy nahitana fihetsika manokana miendrika finoana ; fa ilay mpianatra malalan’i Tompo ihany no nahita ka nino. Ny fihetsika nasehon’ity farany no tsara dinihintsika : nahoana no izy irery no nahavita ilay dingana avy amin’ny fahitana mankany amin’ny finoana ? Satria izy no ilay mpianatra tian’ny Tompo. Noho ny fananany ilay fitiavan’i Kristy no nahavitany an’io dingana lehibe io tamin’ny finoana. Io fitiavana nananany io no nampiavaka azy tamin’ireo mpianatra teo aloha ; ary fitiavana mahita lalina sy marina no nananany. Asaina noho izany isika mba hikolokolo ny fitiavan’i Kristy antsika sy ny fitiavantsika Azy fa izany no hahitantsika Azy tafatsangan-ko velona ankehitriny.