Alahady 26 desambra 2021 — Ny Fianakaviana Masina tao Nazareta — Eny, Andriamanitra miafina Ianao, Andriamanitra ety aminay olombelona, ry Jesoa Mpamonjy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 41-52

Ao anatin’ny havaloana fankalazana ny Noely isika izao, ka mbola ao anatin’izany fety izany indrindra no ankalazantsika ny Fianakaviana Masina tao Nazareta, ho modelin’ny fianakavian’olombelona eto an-tany. Manome toetra vitsivitsy mahakasikasika an’izany indrindra ny Evanjely vao novakiana tamintsika teo :

"Ary isan-taona ny ray aman-drenin’i Jesoa dia nankany Jerosalema amin’ny andro fetin’ny Paka. Ka nony efa roa ambin’ny folo taona i Jesoa, dia niakatra araka ny fanao amin’izany fety izany izy telo mianaka". Mikolokolo ny fifandraisana lalina amin’Andriamanitra ny fianakaviana kristianina, toy ny nataon’izy telo mianaka tao Nazareta, satria fantany fa ho rava sy tsy manam-pototra velively ny fianakaviana kristianina izay tsy mifototra amin’Andriamanitra, loharanom-pahasoavana rehetra. Mampianatra antsika ray aman-dreny hanazatra ny zanatsika amin’ny fanatonana an’Andriamanitra ny Evanjely anio ; fanabeazana ny zaza ny mahita anareo mivady mitondra azy mivavaka any am-piangonana sy manao ny vavaky ny mpianakavy ka manatanteraka an’izany an-kafaliana.

"ary nony tsy nahita Azy, dia niverina tany Jerosalema indray nitady Azy ». Mampianatra antsika ray aman-dreny ho tompon’andraikitra amin’ny zanatsika i Josefa sy Maria eto. Tompon’andraikitra feno mahakasika ny zanatsika isika ary mikatsaka izay hahasoa azy ary misahirana rehefa misy tsy fahatomombanan’ny atao.

"Nahoana no nitady Ahy ianareo ? Tsy fantatrareo ve fa tsy maintsy ho ao amin’ny Raiko Aho ? Saingy tsy azon’izy ireo ny teny nolazain-janany taminy ». Manambara ny tenany i Jesoa fa avy amin’Andriamanitra Ray ka izany no tsy maintsy ikarakarany ireo zavatra mombamomba ny Ray. Lazain’i Jesoa etoana ny fiantsoan’Andriamanitra antsika zanak’Andriamanitra rehetra : "hanompo an’Andriamanitra eto an-tany sy any an-danitra". Ny lesona faharoa azo tsoahana ihany koa dia ity : mampitolagaga antsika ray aman-dreny mandrakariva ny zanaka rehefa mitombo satria mety tsy hifanaraka amin’izay nirintsika velively ny asa tiany hatao eo amin’ny fiainana ka tsy tokony hanery azy ireo velively amin’izay tiantsika hatao isika raha toa ka hitantsika fa tsy mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra ny fikasany.

"Dia niara-nidina tamin’izy mivady nakany Nazareta i Jesoa, ary dia nanaiky azy ; fa reniny kosa nandinika tsara izany zavatra rehetra izany tao am-pony". Nahatsapa tena i Masina Maria fa tsy maintsy manao dingana lehibe amin’ny finoana ho fahalalana bebe kokoa ny misterin’i Jesoa Kristy Zanany. Ampianarin’i Maria mba hananana fanetren-tena isika ao anatin’izany dingam-pinoana ataontsika izany.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...