Alatsinainy 20 janoary 2020 — Herinandro faharoa mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 2, 18-22 — Misaotra Anao aho, ry Ray, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin'ny madinika ny tsiambaratelon'ny fanjakanao.

0 : 00

Ankoatra ireo andro voadidy hifadian-kanina dia misy andro hafa koa azo hanaovana izany arakaraka ny tsirairay. Ny tanjona dia ny fifehezan-tena, ny fihavaozana, ny fahalalahana fa hihaona amin'Andriamanitra, fa indrindra koa ny fibebahana sy ny fivalozana. Teo am-piandrasana ny fanavotana i Israely dia nifady hanina, namola-tena. Rehefa eo kosa i Kristy, Ilay Mpampakatra, dia fotoanan'ny hafaliana izany. Tsy fotoanan'ny fijaliana intsony ka izany no nahatonga ny mpianatr'i Jesoa tsy mba nifady hanina, fa òiaraka amin'i Jesoa Ilay Mpampakatra.

Fihavaozana no ilaina sy tanjona amin'ny fifadian-kanina, ka na tsy hihinan-kanina amam-bolana aza, tsy misy dikany rehefa tsy misy vokany ara-panahy. Siny hoditra vaovao no aleo asiana ny divay vaovao, ary tapa-damba vaovao mifanentana no aoka hatampina ny akanjo vaovao koa. Ilaina ny fifadian-kanina ho an'ny fahasalamana, ilaina ho amin'ny fifehezan-tena, ilaina hampihetrena ny nofo mba hanadratana ny fanahy ary ilaina ho amin'ny fibebahana.

Miaraka amin'ny mpianany mandrakariva i Jesoa, toa fambara mialoha izany, fambara ny Fiangonana manana an'i Jesoa ho lohany, ary manana ny Apôstôly ho vato fototra. Fiangonana izay tsimoka tamin'izany fa fahatanterahan'ny fanjakan'Andriamanitra kosa ankehitriny: fanjakan'ny hafaliana satria miaraka amin'i Kristy Mpampakatra.

Havaozy àry ny fontsika mba ho mendrika azy, mba ho faly mandrakariva ao amin'Andriamanitra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...