Sabotsy 18 desambra 2021 — Herinandro mialoha ny Noely — Ry ilay Solofon’i Jese, fisehoan’ny fivondronan’ny vahoaka, avia hamonjy anay, aza maharitra ela intsony — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 1, 18-24

"Indro ny virjiny hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hatao hoe : Emanoela, izany hoe : amintsika Andriamanitra". Ny anarana entina dia manambara sahady ny mahaizy azy an’i Jesoa sy ny iraka miandry Azy. Tamin’ny andron’ny Filazana, ny Anjely Gabriely no nanome azy ho anaran-tsamirery ny anarana hoe Jesoa, izay sady milaza ny mahaizy Azy manokana no milaza ny fanirahana Azy. Satria "Andriamanitra irery ihany no afaka mamela ny fahotana" (Mk 2, 7), dia Izy, izay ao amin’i Jesoa Zanany mandrakizay tonga olombelona no "hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotan’izy ireo" (Mt 1, 21). Ka izay no dikany hoe Jesoa "Andriamanitra mamonjy" ary ao amin’i Jesoa-Kristy no amondronan’Andriamanitra ny tantaram-pamonjena manontolo ho tombon-tsoan’ny olombelona.

Ny anarana hoe Jesoa dia midika fa ny anaran’Andriamanitra ihany no ao amin’ny tenan’ny Zanany tonga olombelona, ho fanavotana an’izao tontolo izao amin’ny fahotana, sady ho fanavotana mandrakizay. I Jesoa no anaran’ Andriamanitra izay hany mitondra famonjena, ka nanomboka tamin’izay dia azon’ny rehetra antsoina Izy, satria miombom-piainana amin’ny olombelona rehetra tamin’ny Fahatongavana ho nofo, hany ka "tsy misy eto ambanin’ny lanitra anaran-kafa nomena ny olona, hahazoantsika famonjena" (Asa 4, 12)

Eny, akaiky dia akaiky tokoa ny hankalazantsika ny Noely, ilay Teny tonga nofo, ilay Andriamanitra eto anivontsika, Andriamanitra tonga manatona antsika. Izy Andriamanitra no misahirana miditra ao anatin’ny tontolontsika. Andriamanitra miara-monina amintsika ny Andriamanintsika. Ka ampitomboy àry ny fitiavam-bavaka sy fitiavana mba ho tena vonona hiara-monina Aminy tokoa isika rehetra.

[Miara-dàlana] Zoma 4 jolay 2025

• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...