Alahady 12 desambra 2021 — Alahady fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo — Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo: nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 3, 10-18

Inona ary no hataonay ? Ity fanontaniana ity koa dia tokony ho fanontaniana hapetratsika amin’ny tenantsika isan’andro isan’andro. Ny tanjona dia ny mba hahafantarantsika mandrakirava hoe "mbola miaina ny sitrapon’Andriamanitra ve aho ?" Ny fiainantsika kristianina mantsy, dia fiainana mamakivaky tany efitra. Izany hoe ny fiainatsika dia mandalo fisedrana, fahantrana, fahasarotana. Ka teo anatrehan’izany fahasahiranana nahazo azy izany ireto sokajin’olona maro ireto no nanontany an’i Joany hoe inona ary no tokony hataonay ?

Tsotra dia tsotra valinteny nomen’i Joany : avereno dinihana tsara, hoy i Joany, ny fifandraisanao amin’ny mpiara-belona aminao, arakaraka ny asa aman’andraikitra misy anao eo amin’ny fiaraha-monina. Mamerina antsika hitodika amin’ny fiainantsika andavanandro i Joany Batista, satria hadinontsika matetika fa eo amin’ny fiainatnsika andavanadro no hanatanterahantsika ny sitrpon’Andriamanitra, dia tsy inona akory fa fahaizantsika mifandray amin’ny hafa. Araka ilay fananarana nataon’ny Joany tamin’ny toriteny teo : "fadio ny fanaovana an-keriny sy ny fitorohana, ary mahaiza mianina amin’izay karamanareo", "aza mampadoa mihoatra noho izay nasaina nalaianareo".

Manasa antsika ny tenin’Andriamanitra amin’izao andro Fiaviana izao hiaiana ny fahamarinana marina eo amin’ny fifandraisana amin’ny hafa ary koa hampitombo ny fahalalan-tanana amin’ny hafa. Aoka isika hiomana tsara amin’izay, amin’ny fahaizana mizara hafaliana amin’ny madinika, ny fanaovana fihetsika mampiseho halemem-panahy amin’ireo manodidina antsika.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...