Alahady 19 janoary 2020 — Alahady faharoa mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 29-34 — Tonga Nofo ny Teny, ka nonina taty amintsika, ary amin'ny alalany, dia tonga zanak'Andriamanitra izay rehetra mandray Azy.

0 : 00

Tanjon'ny fampianaran'ny Fiangonana sy ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ny fanekena an'i Jesoa ho Zanak'Andriamanitra Velona, Mpamonjy, ary izany rahateo no hanirahana ny mpino rehetra hijorona ho vavolombelona. Zanak'Ondrin'Andriamanitra koa i Jesoa. Maro ireo fambara mialoha ao amin'ny Testamenta Taloha momba izany, toa an'i Isaaka natao sorona, fa ondry lahy kosa anefa no nasolo azy nalatsa-drà. Ny zanak'ondrin'ny Paka, ka ny ràny no famantarana ka nahavotra ilay vahoaka voafidy. Ary ilay zanak'ondry bonaika tsy namaly izay natao azy akory kanefa nibaby ny heloky ny maro.

Fambara mialoha ireo, fa ilay Zanak'Ondry nisalotra ny fandresena farany no mitondra famonjena, dia i Kristy izany. Mpandresy Izy, tsy miady aman-defona, na amin'ny tafika sy fitaovam-piadiana fa amin'ny halemem-panahy, amin'ny fitiavana, amin'ny fanoloran-tenany ary amin'ny fahafoizany ny ràny.

Araka ny voam-bolan'i Masindahy Joany amin'ny Evanjely dia ny tsy finoana no fahotana lehibe indrindra. Manala ny fahotan'izao tontolo izao ilay Zanak'Ondry satria manala ny haizin'ny tsy finoana amin'ny alalan'ny Fanahy Masina nipetraka teo amboniny sy ny feo manambara fa Zanaka malalan'ny Ray Izy. Manala ny fahotan'izao tontolo izao Izy, manala ny haizin'ny tsy finoana amain'ny alalan'ny teniny, ny fampianarany ary ny asany ary mitory koa ireny rehetra ireny fa Andriamanitra Mpamonjy Izy araka ny dikan'ny anarana hoe Jesoa.

Noho izany izay mino azy, dia afaka amin'ny fahotana, tonga zanak'Andriamanitra ary manana ny fiainana. Farany, ilay Fanahy Masina nahatorontoronina an'i Jesoa tao an-kibon-dreniny no nasoroan'ny Ray azy. Noho Izy vonton'izany Fanahy Masina izany dia afaka manome tsy misy fetra ny Fanahy Masina Izy. Raiso àry Izy ho Mpamonjy antsika isan'andro.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 17 febroary 2025

• Nanentana ny kristianina aty Afrika ny Fiombonan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Afrika sy i Madagasikara, mba hiray hina amin'ny vavaka sy ny fifadian-kanina araka ny fomba amam-panaon'ny tsirairay sy ny fahafahany, ny 3 hatramin'ny 5 marsa 2025... • Notontosaina ny sabotsy 15 sy ny alahady 16 febroary 2025 ny fihaonan'ny Filankevitra Fitondrana ny Vahoakan'Andriamanitra eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... • Mampiely hatsarana sy mampiombona ny vahoaka ny zava-kanto, hoy ny Papa François, tamin'ny fampianarana nataony ho fankalazana ny Jobilin'ny mpanakanto omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...