Isan'ny tranga iray maneho fahasahiana ihany koa ny tantaran'i Md. Paoly. Hoy izy : " mila loza aho raha tsy mitory ny Evanjely" IKor 9,16). Mpanenjika kristianina i Md. Paoly taloha, fa niova rehefa nisehon'i Jesoa. Raha amin'ny maha olombelona dia sarotra ho azy ny hanao izany satria ireo namany mpanenjika niaraka taminy dia hanondro molotra azy, kanefa tena sahy izy ary vonona ny hitory an'i Jesoa Kristy. Katesizy momba ny fahasahiana, iarahana amin'i P. Jean-Luc Ratovonjanahary.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...