Manohy hatrany ny katesizin'ny Papa François momba ny zokiolona isika, izay nanomezany fampianarana manokana momba ny antson’Andriamanitra na ny antso ho azy ireo. Izany hoe ny anjara asa manandrify azy ireo ao amin’ny fianakaviana na ny fiaraha-monina. Fanazavana entin'i P Justolat Rafaralahimboa

0 : 00

Ny tenako sy ny fiainako hoy ny Papa François no anisan’ny ifampizarako satria izaho dia ao anatin’ny salan-taonan’ireo zokiolona ireo. Mialohan’ny handalinantsika ny katesizy nomen’ny Papa François momba ny antso manokana ho an’ireo zokiolona toa azy dia tsara ihany angamba ny mamerina kely izay efa hita tany amin’ny katesizy fiomanana mahakasika ny antson’Andriamanitra nataontsika talohan’iny fandalovany teto.

 Inona moa ny antso na hoe ny antson’Andriamanitra?

 Avy amin’ny teny latinina hoe “vocare” midika hoe “appeler” io antso io. Antso na antson’Andriamanitra no mahalaza azy ho antsika Malagasy. Ny olona rehetra dia voaantso avokoa (jereo Rom 8, 30). Ary ny konsily Vatikana II dia mamaritra mazava tsara fa ny tanjon’ny antso dia ny fahamasinana. Voaantso ho masina isika.

Tian’Andriamanitra ny olona rehetra ka izany no ilazana fa manana antso izy na ny marimarina kokoa ho manana antson’Andriamanitra izy ary ny olona kosa dia manana ny hetaheta sy ny faniriana mazana ny ho tianAndriamanitra. Nanomboka tany amin’i Abrahama dia noheverina fa ireo izay mahatsapa fa antsoin’Andriamanitra ihany no manana antso. Anisan’ny nantsoin’Andriamanitra matetika moa i Abrahama.

Ao amin’ny Eglizy dia voaantso ny tsirairay hanamasin-tena amin’ny alalan’ireo lalana voatokana ho amin’izany toy ny mariazy, ny iraka isan-karazany ao amin’ny Eglizy, ny fiainan-drelijiozy, ny raharaha maha diakra, pretra, eveka.

 

 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...