Manana adidy amin'ny fiahiana ny zokiolona ny Eglizy. Hamafisin'ny Papa François fa izy ireo no nianarantsika ny fahendrena, ary miantoka ny ho avin'ny taranaka ny fanajana azy. Katesizin'ny Papa François momba ny fianakaviana, miaraka amin'i P Justolat Rafaralahimboa:

0 : 00

Ao amin’ny lovam-panahy ao amin’ny Eglizy dia misy mandrakariva ny fombam-pahendrena manohana ny kolon-tsaina sasantsasany amin’ny fanatonana sy fiahiana ireny be antitra sy zokiolona ireny. Misy andraikitra raisin’ny Eglizy entina miahy am-pitiavana ary mafy orina ireny sokajin’olona ireny amin’izay efa anjara masoadro kely sisa ananany eto an-tany satria izy ireny no tonga amin’ilay fitenintsika mazana hoe "masoandro mody na olo-mody". Mifototra ao amin’ny Soratra Masina io lovam-panahy io, hoy ny Papa François, araka ny hitantsika ao amin’ny bokin’i Siraka: “Aza avela tsy ho henonao ny tenin’ny anti-panahy, fa izy koa dia mba nahare tamin’ny razany; ka amin’izy ireny no hianaranao ny fahendrena, sy hahaizanao mamaly rehefa ilaina izany”. (Si 8, 9).

Ny Eglizy dia tsy mankasitraka velively ny toe-tsaina na ny fomba amam-panao manilikilika ny zokiolona na ny be antitra na amin’ny fomba manao ahoana izany na amin’ny fomba manao ahoana. Tokony fohazintsika, hoy ny Papa François, ny fomba fisainana iombonantsika rehetra maneho fanajana sy fitiavana maimaim-poana ireny zokiolona sy be antitra ireny mba hahatsapan’izy ireo fa tena anisan’ny singa velona mandrafitra hatrany ny fiangonana izy na dia efa osa aza. Ireo ray aman-dreny zokiolona sy efa antitra ireo dia lehilahy sy vehivavy ary ray sy reny toa anareo tamin’ny fotoan’androny, hoy ny Ray masina. Nizotra tamin’ny lalana mitovy amin’ny izoranareo ihany, nitoetra tamin’ny trano onenanareo ihany, ary niezaka nanana fiaininana mendrika izy ireo matoa tratra antitra toy izao. Tsy olona “vahiny eto an-tany” izy ireo akory. Toa antsika ihany izy ireo: antitra ary fohy sisa ny andro iainany; fa raha mbola tanora izy dia mbola manantena hiaina lavalava kokoa. Ka raha tsy dien’izao isika dia efa mitsinjo azy ireo dia manomana ho avy ratsy ho an’ny tenantsika satria izay ataontsika amin’izy ireny amin’izao andro mampatanjaka antsika izao ihany no ataon’ny olona amintsika koa rehefa tonga ny andro maha osa antsika.  

Isika zokiolona, hoy ny Papa François miantso ireo be antitra sy zokiolona rehetra dia marefo. Ny sasany dia tena malemy, ny sasany manirery, lazoin'ny aretina. Ny an’ny sasany miankina amin'ny fitsaboana sy fikarakaran'ny hafa. Ny fiaraha-monina na ny fianakaviana tsy tia miombona amin’ny hafa na miara-monina amin’ny hafa dia fiaraha-monina mitokamonina ary mamono tena. Tsy eken’ny Eglizy izay mifototra amin’ny Tenin’Andriamanitra, hoy ny Papa, ny fitsitokotokoana sy ny fisarantsarahana. Tsy fiangonana ary tsy azo lazaina ho kristianina ny olona tsy tia miombona maimaim-poana amin’ny hafa ary izy ihany no manary ny fanahiny. Na iza na iza tsy maneho fanajana ny zokiolona sy ny be antitra dia tsy manana ho avy tsara izy raha mbola tanora. 

Tohin'ny katesizin'ny Papa François momba ny fianakaviana, 04 mars 2015

[Miara-dàlana] Alatsinainy 9 desambra 2024

  • Manentana antsika rehetra hivavaka ho an'ny vahiny mpitondra fanantenana, ny Papa François, amin'ity volana ity...
  • Feno 19 taona amin'ity taona ity ny fivahinianana masina fanao ao amin'ny tanànan'Andovoranto, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Seho mahatalanjona sy mampihetsi-po ny eny izay nataon'i Masina Maria, ka nahatongavan'ny Zanak'Andriamanitra ho nofo, hoy ny Papa François omaly, tamin'ny fampianarana nataony mialoha ny vavaka Angelus...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...