Aorian'ny fihobiana dia manohy ireo vavaka fanamafisana ny fahatsiarovana an'i Kristy maty fa nitsangan-ko velona ary mbola ho avy am-boninahitra ny Pretra mpitarika arahan'ireo vavaka maro mampifandray ny olona rehetra dia : ny Eglizy, ny velona rehetra ary ny maty. Misongadina eto ny vavaka fiombonan'ireo rehetra mivavaka eo ary vavaka ho an'ny velona araka ny fangatahan'ny tsirairay... Katesizy momba ny litorjia (Ny Masina), iarahana amin'i P.  Justolat Rafaralahimboa.

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...