Tsy maintsy milozoka amin'ny famakiana sy ny fandalinana ny Soratra Masina ireo rehetra manana andraikitra amin'ny Asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly, na ireo mpandraharaha masina, loha-laharana amin'izany ny pretra, ny diakra ary ny katesista satria tsy maintsy mampita ny haremben'ny Tenin'Andriamanitra amin'ny kristiana nankinina taminy izy ka mitaky fandalinana izany... Katesizy momba ny Soratra Masina ao amin'ny fiainan'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.