Manana adidy lehibe isika Kristianina manampy ny Eveka sy ny Pretra, ny Diakra mamonjy fanahy, mandray an-tanana mampandeha ny Fiangonana. Samy manana ny fanomezam-pahasoavana nomen'Andriamanitra azy avy ny tsirairay ka ireny no hampiasaina araka ny toro-lalana pastôraly. Samy miasa araka ny anjarany ny tsirairay miombona amin'i Kristy mba ho Fiangonana, hitombo... Katesizy momba ny Lahka, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...