Miteny amin'ny olombelona Andriamanitra amin'ny alalan'ny Teniny, na an-tsaina izany na am-bava, ka miforona ny vavaka ataontsika. Vavaky ny zanak'Andriamanitra sy ny mpanota voavela heloka ny vavaka am-po ka manaiky handray ny fitiavana nitiavana azy sy maniry hamaly izany amin'ny fitiavana. Fanomezana sy fahasoavana ny vavaka am-po. Katesizy momba ny "mivavaka amin'ny fiainana andavanandro", iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...