Anisan'ny nampiavaka an'i Masina Maria ny fiaraha-mivavaka amin'ny hafa. Tsy nisaraka tamin'Andriamanitra sy i Jesoa ny fiainany manontolo, hatrany ampihandohana, ny nahafatesana sy ny nitsanganany ho velona ; ary dia mitohy miaraka tamin'ireo Apôstôly sy ireo kristiana tany amboalohany. Noho ny asan'ny Fanahy Masina dia tonga Renin'Andriamanitra i Masina Maria... Katesizy momba any Maria, modely amin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...