Tsy vitan'ny indray andro ny vavaka fa fiainana isan'andro mihitsy ; ny fananana faharetana no nampiavaka an'i Elia mpaminany, porofon'izany ny fivoaran'ny fifandraisany tamin'Andriamanitra. Nihanazava taminy ny endrik'Andriamanitra nandritra ny dingana rehetra teo amin'ny fiainany. Ny zava-nitranga teo aminy dia nanome traik'efa azy amin'ny fihaonana amin'Andriamanitra ; niseho taminy tamim-panetren-tena Andriamaintra. Katesizy momba ny vavak'i Elia, iarahana amin'i P. Ramamonjisoa Herizo Elie.

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...