« Mila ray ny fianakaviana tsirairiray », hoy ny Papa François. Ny ray manam-pahendrena dia tokony hampianatra ny zanany hiaina ny amim-pahendrena sy hiteny amim-pahitsiana. Tokony hahay hampita ireo lova ireo ny ray. Tohizantsika ny katesizin’ny Papa François momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Justolat E. Rafaralahimboa.

 

0 : 00

Mila ray ny fianakaviana tsirairay avy. Ny lanjan’ny ray eo amin’ny fianakaviana sy ny anjara asany no tena hifantohantsika izao, hoy ny Papa François, ary ny voalazan’ny bokin’ny ohabolana milaza mahakasika ny tenin’ny ray amin-janany hoe: “Anaka, raha Hendry ny fonao, izaho koa, dia hifaly ny foko. Dia hientan-kafaliana ny kiboko, raha miteny izay marina ny molotrao” (Ohab 23, 15 – 16) no tiako hiaingana hanehoana izany. Tsy misy fomba tsara kokoa, hoy ny Papa François, hahafahana maneho ny avonavona sy ny fihetsehem-pon'ny ray, izay nahatsiaro nampita tamin'ny zanany ny tena zava-dehibe amin'ny fiainana, izany hoe ny "fo hendry". Tsy miteny ity ray ity akory hoe "reharehako ianao satria tena mitovy ahy, satria ianao mamerina izay zavatra nolazaiko sy nataoko". Tsia, tsy niteny zavatra fotsiny izy. fa tena niteny zava-dehibe izay azontsika adika toy izao:"Ho sambatra aho raha mahita anao miaina am-pahendrena ary mientana ny fokoraha maheno anao miteny am-pahitsiana. Ny ray manam-pahendrena manabe ny zanany ny lalana mahitsy hitondrany ny fiainany, hoy ny Papa François, dia ny ray manoro azy ny fomba fiaina hahay mihaino ary handray, hiteny am-pahendrena ary mahay mandanjalanja sady maotina rehefa miteny. Tsy tafita ny fanabeazana ny zaza na ny ankizy ho toy izany, hoy ny Ray masina, raha tsy eo anilany mandrakariva ny ray manova tsikelikely ny toe-po amam-panahiny hizotra amin’izany lalan’ny fahamatorana izany. Ny tahaka izany no tena ray matotra tsara ary mahay maka ny toerana maha ray azy, hoy ny Papa.

Ny tena ray dia tokony hahatsapa fa tena lafo vidy ary tsy mora ka tokony tsy atao tsirambina ny fampitana ny fahendrena amin’ny taranaka ka hahaizany mandanjalanja hoe hatramin’ny rahoviana no tokony ho akaiky ny zanany mandrakariva izy, rahefa inona izy no tokony ho henjana amin’ireo zanany ireo, rehefa inona no tokony halefaka aminy ary hatraiza ny fanehoany fitiavana, ilay fitiavan-dray ao amin’io ankohonana na fianakaviana io. fa mba inona kosa anefa no fankasitrahana na valim-pitia na fankaherezana omentsika ray rehetra ny zanaka rehefa mba tojo amin’izay lalan’ny fahendrena izay izy na mahatanteraka sy mizotra amin’ny lalana tsara sy mahitsy atorontsika azy? Eo anatrehan’izany, hoy ny Papa François, dia tena ilaina ary zava-dehibe ny hafaliana. Hafaliana hasehon’ny ray ao an-tokantrano sy eo anivon’ny fianakaviana. Io ihany no manamaivana izay rehetra mety ho endrika havizanana na harerahana, na harerahan-tsaina io, na hareraham-batana eny fa na dia ny harerahan’ny fanahy koa aza. Io hafaliana io no hahafahana misoroka izay mety ho tsy fahatsapana ny fanaparana maha lehibe sy ny hoe tompon’ny fahefana rehetra, hoy ihany ny Papa François, ary mbola io hafaliana io ihany koa no manasitrana izay mety ratra na ratram-po rehetra vokatry ny disadisa ateraky ny tsy fahafehezan’ny ray ny anjara toerana misy azy ao anatin’ny ankohonana na ao amin’ny fianakaviana.



[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 nôvambra 2024

  • Nifarana ny 15 nôvambra 2024, ny Fihaonamben'ny Ekipan'ny Aumônerie Catholique des Prisons, izay notanterahana teny amin'ny Cénacle Ambohipo...
  • Nosokafana sy notokanana ny 17 nôvambra 2024, ny Distrika vaovao ao amin'ny EKAR Ave Maria Ampandroantsiriry, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Voalahatra handalo fotsiny izao rehetra izao, fa i Kristy no mitoetra mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus, ny 18 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...