Nampianatra ho tia fahadiovana ny mpampianatra porofon'izany ny sazy manadio sy ny fitsimponana fako. Ny fambolen-kazo, asa fanadiovana faobe, fanamboarana ny lakan-drano, lalana sy ny foto-drafitr'asa hafa dia isan'ireo fitandrovana ny tontolo daholo. Amin'ny sehatry ny fanabeazana, ny sazy dia tsy raisina ho famaizana fa mandrisika ny rehetra hifanampy sy hifanome tanana hitandro ny tontolo iainana... Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany. 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...