Tsy nilatsaka avy any an-danitra akory ny fahatongavan'i Jesoa teto an-tany fa nisy fianakaviana nipoirana ara-dalàna. Ny atao hoe fianakaviana araka ny nandaharan'Andriamanitra azy dia ny fifamenoan'ny ray sy ny reny ary ny zanaka ao an-tokantrano ; noho izany dia tsy miankina amin'ny  ray aman-dreny intsony fa mahaleo tena sy mifankatia ary mifanaja amin'ny toerana misy ny tsirairay. katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...