Ny andro fankalazana ny "Trinite Masina" no andro natokana ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona. Amin'ity taona 2022 : andro maneran-tany faha-56 ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona, izay napetraky ny Papa ho an'ireo mpikirakira ny fitaovam-pifandraisan'ny mpiara-belona. Ny loha-hevitra amin'ity taona ity : "Mihaino amin'ny fo", izay mifanohy amin'ny loha-hevitra tamin'ny taona lasa. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, hiarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...